Bekiraro : Mpivady voatsatok’antsy tao anaty taxi


Jacaranda
Banky Foiben'i Madagasikara

Mamono ny mpanendaka. Tetsy Bekiraro, teo amin’ny làlana antsoina hoe « voro-damba » no niseho ilay heloka bevava. Nisafidy ny nizotra tamin’iny lala-manivaka iny ilay fiarakaretsaka mba hialàna amin’ny fitohanan’ny fifamoivoizana. Mpivady no nentiny ary voamarika tamin’ny vaovao azo, fa mitondra vohoka ilay ramatoa. Nosakanan’ny dimy lahy mitondra antsy lava ilay fiara. Tao amin’ny mpamily ny sasany no niditra ary avy hatrany dia nanambana antsy teo amin’ny tendany. Vokatr’izany dia lasa ny taratasin’ny fiara sy ny vola izay mba azon’ilay fiarakaretsaka hatramin’ny sivy ora maraina izay nitondrany ireo mpivady. Ny jiolahy ambiny kosa dia niditra tao amin’izy mivady tao amin’ny seza aoriana. Lasa ny finday, ny entana izay nentin’ireo ary koa ny paoketra izay nisy vola. Mba niezaka nisintona ny fananany izy mivady, saingy tsindron’antsy avy hatrany no valin’izany. Samy teo amin’ny tànany no nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny zava-maranitra izay nampiasain’izy ireo. Voatery nentina teny amin’ny hopitaly izy roa. Ilay rangahy mba tsy dia naninona loatra fa vitan’ny zaitra ny fitsaboana azy. Ramatoa vadiny, izay marihina ihany, fa mitondra vohoka, kosa dia tsy maintsy naiditra efitrano fandidiana. Mamono ny mpanendaka, araka izay voalaza etsy ambony. Mbola miteraka resa-be hatramin’izao, ny fisian’ilay tovovavy izay namoy ny ainy rehefa notsatohan’ireo olon-dratsy antsy teo amin’ny kibony raha mba namaly kely niaro ny fananany. Mbola ny andron’iny koa aza no nisehoan’ity tranga tetsy Bekiraro ; izay notaterina tetsy ambony ity. Raha ireo fotsiny no raisina, dia olona telo izany no voatsindron’antsy ka ny iray namoy ny ainy, tao anatin’ny andro iray. Mamono ny jiolahy, mila vola mafy amin’izao an-katoky ny fety izao.

D.R


Share This Post

Post Comment