Mpanafatra vary eto Toamasina : Vary simba 2.310 gony efa nogiazana saika hamidy


Jacaranda

Saika an-jatony kaontenera isan’andro ny vary mivoaka ny seranan-tsambo isan-kerinandro, ka mahatratra 78.000 taonina ny vary nafarana, “Stock Tampon”, ao anatin’ireo magazay maro be eto Toamasina izao, ny mahagaga anefa, dia tsy araka ny fahamaroany tonga ny vidiny sy ny hatsarany, ka nahatonga ny teto Toamasina nametraka ny “task force”, natao hanara-maso ny momba ity vary ity miala avy eo amin’ny seranan-tsambo hatrany amin’ny vahoaka mpihinana izany amin’ny vidiny sy ny hatsarany ary ny fatrany. Vokatra io fanaraha-maso ny “task force” dia tratra ambodiomby eo am-pamindrana gony vaovao ireo vary efa lo nogiazan’ny talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana atsinanana izy ireo omaly misandratr’andro. Magazay iray ao Androranga Toamasina I. Nomarihan’Atoa Randrianasolo Daniel tompon’andraikitra mikasika ny hosoky ny minisiteran’ny varotra sy ny fanjifana, fa fandikan-dalana telo no nataon’ity orinasa roa ity, voalohany ny fanimbany ireo taratasy fanagejana ara-dalana nataon’ny fanjakana, faharoa ny fikasana hivarotra vary simba ho an’ny vahoaka malagasy, ary fahatelo ny fivarotana vary nangalaran-danja.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment