Anjozorobe : Tokantrano voatafika, maty rotiky ny bala ny tompon-trano


Jacaranda

Lehilahy iray no maty notifirin’ny jiolahy tany amin’iny distrikan’Anjozorobe iny, ny sabotsy alina lasa teo. Tokony ho tamin’ny sivy ora alina tany ho any no niditra an-keriny tamin’ity tokantrano iray tao amin’ny tanànan’Amparihivolabe, ao amin’ny fokontany Ambohitsinjorano, ao amin’ny kaominina Antanetibe ny olona iray, nitondra basy lava. Tsy nisy alaharo alaharo teo, fa vao tafiditra ny trano izy, avy hatrany dia namahana ny basiny ary nitifitra izay sendra azy tao. Ny tompon-trano mihitsy tamin’io fotoana io no lavo voan’ny bala. Araka ny tatitra azo avy tamin’ny zandary dia bala roa no nahafaty ity raim-pianakaviana ity. Vao vitan’ilay olon-dratsy moa izany dia nitsoaka nandositra ity farany. Hatreto dia mbola mampametra-panontaniana ireo mponina ny zava-nisy. Fanafihan-jiolahy tsotra niafara tamin’ny vono olona izy ity sa zavatra efa nokendrena natao, hamonoana an’ity tompon-trano ity mihitsy ? Ireo manodidina kosa no nampilaza ireo zandary tany an-toerana izay tonga haingana tany amin’iny toerana nisehoan’ity fanafihana ity, niaraka tamin’ny dokotera nanao ny fizahana. Rehefa vita kosa ny fitiliana, dia efa natolotra ny fianakaviana ny razana. Efa mandeha kosa ny fikarohana ilay nahavanon-doza ataon’ireo tompon’andraikitra.

m.L

Share This Post

Post Comment