Toliara II : Niady sipa, tovolahy iray maty voatsatok’antsy



Jacaranda

Tovolahy iray manodidina ny 22 taona eo? no maty voatsindrona antsy, ny alin’ny fetin’ny taom-baovao teo, tany Analamitsampy Distrikan’i Toliara II. Araka ny tati-baovao voaray, dia andiana tanora maromaro no niara-nanala azy fa fety ny andro. Rehefa tokony ho tany amin’ny 9 ora sy sasany alina tany , dia nisaraka ny rehetra ka niara-nody tamin’ny sipany ny tovolahy iray. Rehefa dify sahabo  ho zato metatra teo ireto mpifankatia, dia nisy tovolahy iray voalaza fa olon-tian’ity tovovavy ity taloha tezitra niantsoantso. Nijanona ireto mpifankatia niakatr’afo raha vao naheno ny ompa sy teny ratsy tsy faseho masoandro niraradraraka. Raikitra ny fifamaliana am-bava niafara tamin’ny fifampitolomana teo amin’ireto roalahy avy eo. Tsy nahahovoka an’ilay rafilahiny ilay tovolahy nihantsy ady sipan-drazazavavy teo aloha, ka namoaka antsy ary nanindrona izany an’ity rafilahiny niady taminy. Rehefa hitany fa nitolefika nihosin-drà ity farany, dia nitsoaka ilay nahavanon-doza izay karohina fatratra amin’izao. Nentina novonjena namonjy toeram-pitsaboana haingana kosa ilay tovolahy naratra mafy, kanefa teny an-dàlana, dia tsy tana ny ainy.

Eric Manitrisa


Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.