Toliara : Mpivaro-mandeha, maty notifirina telo lahy teo an-tokotaniny


Jacaranda
Banky Foiben'i Madagasikara

Nifanesisesy ireo olona namoy ny ainy, ny faran’ny taona teo sy ny fiandohan’ity taona ity. Raim-pianakaviana iray sahabo ho 45 taona eo, no maty tsy tra-drano notifirina telo lahy, ny alin’ny fetin’ny taom-baovao teo, tao amin’ny Fokontany Antaravay Salimo Toliara. Araka ny fanazavana azo, dia nipetraka naka aina sy tsiotsio-drivotra teo an-tokotaniny ity lehilahy mpivaro-mandeha ity no nisy telo lahy nandalo niantso azy. Nanatona ity rangahy namoy ny ainy, ary niresaka tamin’ny iray tamin’ireo telolahy, ary niafara tamin’ny fifamaliana izany, araka ny fitantaran’ny vadiny izay nijanona tao an-trano. Taorian’izay, dia nipoaka ny basy, ka io no nanaitra ireo mponina manodidina sy ny vady aman-janak’ity namoy ny ainy. Nenjehina novonjena haingana nentina tany amin’ny hopitaly ity lehilahy naratra mafy nihosin-drà voatifitra, kanefa teo ihany dia tsy tana ny ainy noho ny fahaverezan-drà be loatra. Tsy naka na inona na inona kosa ireo olon-dratsy, fa nitsoaka avy hatrany raha vao vita ny “mission”-ny, ka mbola karohina fatratra hatramin’izao, hoy ny loharanom-baovao akaiky ny mpitandro filaminana mandray an-tànana ny raharaha.

 Eric Manitrisa


Share This Post

Post Comment