Anosipatrana : Manararaotra rivo-doza ny mpanafika

Na dia efa nivoaka an-dranomasina aza ilay rivo-doza Ava, dia mbola mitondra rivotra sy ora-mikija ny andian-drahona niaraka taminy. Ny sabotsy alina teo no tena nifofofofo mafy ny rivotra, ary tena nikija ny orana teto an-drenivohitra. Nitapi-mandry tany an-tranony avokoa ny rehetra, ary nangina ny arabe, eny fa na dia eny amin’ireo faritra be olona amin’ny alina. Fa tamin’io fotoana io mihitsy no nanararaotra ny mpanao ratsy. Toy ny nitranga teny amin’iny faritra Anosipatrana iny, ny sabotsy hifoha alahady teo. Efa-dahy ireo mpanafika no saika hanao ny asa ratsiny tamina trano iray lehibe teny an-toerana. Tao anatin’ilay rivotra nifofofofo mafy iny mihitsy sy ny jiro tapaka izy ireo no miezaka mihanika ny tamboho sy mamoha ny varavarana. Soa ihany anefa, fa nisy naheno ny tao amin’ny trano nifanila tamin’ity tokantrano saika voatafika ity. Nivoaka ny trano avy hatrany ary nitsilo tamin’ny “lampe” sy nampilaza ny manodidina. Tamin’izay fotoana izay no nilomay nitsoaka ireo jiolahy. Fa taorian’izay, asa na tezitra tamin’ny zavatra niseho teo izy ireo, fa niverenan’ireto olon-dratsy ny tranon’ilay olona nahita azy ireo. Nirarakompana ny tora-bato sy toraka biriky, raha ny fanazavana azo. Nitsoaka izy ireo nony avy teo rehefa afaka ny fony. Isan’ireo faritra mena anjakan’ny tsy fandriam-pahalemana tokoa iny faritra iray iny ary amin’ny andro avy ora tahak’izao no tena mamely izy ireo. Mila mailo foana araka izany ny tsirairay. Hampilaza sy hiantso avy hatrany ny tompon’andraikitry ny filaminana raha misy tranga mampiahiahy.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.