Tapatapany

#- Antsirabe. Mpivady niara-maty nirodanan’ny trano. Lehilahy iray ary vehivavy mitondra vohoka dimy volana iray no niara-maty tao an-tranony, rehefa nilatsahan’ny ranon-tany ka nirodana, tao an-tampon-tananan’Antsirabe, ny sabotsy alina lasa teo. Tokony ho tamin’ny roa ora maraina no niseho ny loza, raha ny fampitam-baovao azo, tao anatin’ny ora-mikija sy rivotra tany an-toerana. Ireo fokonolona nahita ny loza niezaka nisokitra azy ireo tao, saingy tsy nisy azo natao intsony ny amin’ireo mpivady ireto. Mbola misy trano ahiana hitera-doza moa eny amin’io faritra io, raha ny fantatra.

Andry N.

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.