Sidina anatiny : Nisy lehilahy namoy aina tao anaty fiaramanidina

Jacaranda

Ny sidina mizotra tany amin’ny faritra Diana ny alahady lasa teo no nitrangan’ity fahafatesana ity. Raim-pianakaviana iray izay dimampolo taona mahery no namoy aina tao anatin’ny fiaramanidina manatontosa sidina anatiny eto Madagasikara. Tsy mbola voamarika mazava ny nitarika izany saingy raha ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviana dia ahiana ho fijanonan’ny fo tampoka no nihatra tamin’ilay rangahy. Efa notsaboina rahateo izy tany aloha tany momba izany. Nitohy ny sidina na nisy aza izany tranga izany, heverina fa efa lasa lavidavitra izany ilay fiaramanidina. Omaly kosa no nentina niakatra teto an-drenivohitra ny razana. Tamin’ny herintaona koa dia nisy tranga nitovitovy tamin’izao. Sidina niala teto Antananarivo ka hihazo an’i Italie no nisy olona narary ka nihetsika  tampoka teny ambony teny ny aretiny. Io indray dia nalefa hotsaboina mihitsy ny antony nandefasana azy tany amin’io firenena io. Kinanjo indrisy fa dia razana no notsenaina teny amin’ny seranam-piaramanidina. Raha ny tokony ho izy, rehefa handeha fiaramanidina ny olona iray izay mahatsapa fa manana olana amin’ny tosi-drà dia mila manontany ny mpitsabo aloha. Io farany no manapa-kevitra raha tokony ho zakany ny fandehanana fitaovam-pitaterana na tsia ary afaka manome taratasy fanamarinana izany aza izy. Raha tena olona tsy maintsy mandeha indray mba ho fanavotana ny ainy (évacuation sanitaire) dia mila arahin’ny mpitsabo ary miaraka sidina aminy izany mandra-pahatongany eny amin’ny hopitaly izay hitondràna azy. Misy anefa ny olona no miala amin’izay làlana rehetra izay satria iaraha-mahalala fa midangana ny saran-dàlana amin’ny fiaramanidina ary dia misy ny miaritra irery ny aretiny. Efa nitranga avokoa izany rehetra izany.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.