Ambohidratrimo : Nanjaka tokana ny mpanafika



Jacaranda

Ny alin’ny alahady hifoha alatsinainy no tonga nanafika ny trano iray tao Ambatolampy Tsimahafotsy, ny jiolahy  valo. Nitondra tohatra ary tafakatra hatrany amin’ny lavarangana. Mbola nanam-potoana koa aza nanala ny « grille de protection ». Henon’ny tompon-trano izany ka nahatonga azy ireo nidina tany ambany rihana ary niafina tao amin’ny trano iray izay notohanana tamin’ny gony feno siramamy ny varavarana mba tsy hahafahan’ireo olon-dratsy miditra ao. Niaro ny ainy ilay fianakaviana kely nefa koa tetsy andanin’izany, dia toa nanamora ny fitaoman’ireo olon-dratsy ny entana izay nilainy izany. Nanana fotoana izy ireo tamin’ny fikarohana ny vola tao an-toerana. Mpivarotra ny voaroba ary mbola nisy entana maro tao amin’ilay trano.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.