Andoharanofotsy : Zaza menavava narian-dreniny tany an-davapiringa


Reny tsy mifaditrovana ! Zaza menavava no nisy nanary tao an-davapiringan’ny hôtely iray teny amin’iny faritra Andoharanofotsy iny, ny alakamisy lasa teo. Ramatoa iray tompon’ilay hôtely, no nampiantso haingana ny zandary teny an-toerana, raha nandre fa misy feon-jazakely mitomany amin’ny lavaky ny kaboneany. Tonga avy hatrany teny an-toerana ireto farany, niaraka tamin’ny mpitsabo ary nanao izay azo natao rehetra hamonjena ity tsy manan-tsiny, izay vao tonga teny an-tany dia nisedra mafy sahady. “Voatery novakiana mihitsy ilay trano fivoahana mba hangalàna an’ilay zaza tao. Azo soa aman-tsara, nodiovina ary mbola velona”, hoy ny fampitam-baovao. Tamin’io fotoana io no nahitàna fa vao latsaka vao haingana ity zaza ity. Mbola tsy tapaka akory aza ny tadim-poitrany. Nentina novonjena haingana teny amin’iny toeram-pitsaboana ity zaza ary fantatra fa tsy mitsy atahorana intsony ny aminy. Tsy nijanona teo ny zava-nitranga fa niroso avy hatrany tamin’ny fanadihadiana mahakasika ity zava-niseho ity ireo zandary, hikarohana izay mety ho reniny, nahavanon-doza nanary ity menaky ny ainy tany an-davam-piringa. Fantatra taorian’izay fa tsy lavitra teo ilay reny adala, izay tsy iza fa mpiasa vavy tao amin’ilay hôtely ihany. Ary ny tena loza dia mbola ankizy tsy ampy taona izy io, satria dia vao 17 taona monja, araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay. Nentina tany amin’ny toeram-pitsaboana ihany koa ity farany sady “nambenana mba hanaovana famotorana avy eo”. Ny rehetra nahita ity tranga ity dia samy milaza avokoa fa na inona na inona antony, tsy tokony nafatratra tany amin’ity tsy manan-tsiny ny hadalana natao. Ary ny zavatra toy izao dia efa karazan’ny famonoana olona niniana notanterahina.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.