Nosy-Varika : Resaka fitsaram-bahoaka, ben’ny tanana iray nosamborina


Vita ny takarivan’ny sabotsy teo, tao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany ao Mananjary, ny fampakarana Fampanoavana ny raharaha mahakasika fitsaram-bahoaka tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’Ambodilafa, Distrikan’i Nosy-Varika, ka nahafaty tsy tra-drano tamin’ny alalan’ny fitsaram-bahoaka nitranga tao Havohitrandriana, ny 31 Janoary lasa teo, ary nahafaty tsy tra-drano notetitetehan’ olona tamin’ny antsibe ny jiolahy iray voasambotra tamin’ireo dimy nitam-piadiana nanafika mpivarotra iray tao Ambodilafa, ny alin’ny 27 Janoary, izay nahaverezana vola 3,4 tapitrisa Ariary sy nahafaty ny zanaky ny tompon-trano tamin’ity fanafihana ity. Taorian’ity fitsaram-bahoaka nampisy resabe ity, dia nosamborin’ny mpitandro filaminana avy ao Mananjary ny Ben’ny tanànan’ Ambodilafa niaraka tamin’ny olona maromaro, ny 08 Febroary lasa teo. Rehefa natolotra ny Fampanoavana ireo voarohirohy, afak’omaly, dia telo lahy no naiditra am-ponja vonjimaika, raha noafahan’ny fitsarana kosa Ingahy Ben’ny tanàna izay narary mafy.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Mpitandro filaminana anisan’ny nandray anjara t@ fanafihana izy matoa misambotra sy mampiditra am-ponja olona. Nisy fianakams tao na akama akaiky na nahazo ampahany. Ny jiolahy rehefa mahazo voalohany tonga dia mamaono. Izay eny am-pela-tananan’ny mpitandro filaminanana, mandalo fitsarana. Migadra, avy eo manao valifaty rehefa mivoaka na mandola ecolage dia mahazo mivoaka @ alina manao ny asa ratsiny. Mbola tsy nisy mpitandro filaminana nijoro sy nasahy niteny hoe an’ny zandary na polisy , na miaramila ny kalack nampiasain’ny mpanafika.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.