Gadra nitsoaka : Voasambotra teny Ampitatafika i Henintsoa

Jacaranda

Isan’ireo telolahy nitsoaka ny fonja tao Antanimora ny voalohandohan’ny volana febroary teo Rakotoniaina Henintsoa Raphalque. Tao ambany fandrian’ny tovovavy sakaizany tetsy Malaza Ampitatafika izy no nopaingorin’ny zandary ny faran’ny herinandro lasa teo. « Ny mponina no nahatsikaritra fa misy olona vaovao vao nifindra ao amin’ny trano iray ao an-toerana ka ilay lehilahy dia mitovitovy tamin’ilay sarin’ilay gadra efa nivoaka tamin’ny televiziona sy gazety ary “facebook”, sy mbola nasehon’ireo zandary mpanao fisafoana tamin’ny olona teny amin’ny faritra nolalovan’izy ireo tamin’ny fotoana nandosirany ny fonja. Tsy nety nivoaka ny trano mihitsy io lehilahy io nandritra ny herinandro nahatongavan’izy ireo teo ka vao mainka nanamafy ny ahiahin’ireo mponina teo ka nampandre ny zandary izy ireo ary teo no ho eo ihany dia nijery ifotony teny an-toerana ny zandary ka nametrapetraka ny paik’ady rehetra hisamborana azy io », hoy ny fampitam-baovao avy amin’ny zandarimariam-pirenena. Nony tonga teny ny zandary dia ilay tovovavy sakaizany no namoha ny trano. Mahina tanteraka ity farany ka avy hatrany dia nahantonga ireto mpitandro filaminana hanadina azy avy hatrany. Nibaradaka ity farany ary nilaza fa miafina ao ambany fandriana izy ka noraisim-potsiny teo. Marihana fa gadra voasazy hanao asa an-terivozona 15 taona ity lehilahy ity, noho ny fanafihana mitam-piadiana sy vono olona nataony. Nentina nanaovana famotorana ihany koa moa ilay vehivavy, noho ny firaisany tsikombakomba amin’ny fanafenana gadra nandositra. Anio izy ireo raha tsy misy ny sampona no atolotra eny anivon’ny Fampanoavana. Tamin’ireo telolahy tafatsoaka araka izany dia iray sisa mbola miriaria any. Tsiahivina moa fa efa nisy iray tratran’ny zandary ihany koa teny Ambohidratrimo.

m.L

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.