Maevatanana : Olona iray maty voatifitry ny dahalo

Nisehoana fanafihan-dahalo tany Marobarihy, fokontany Ambinanakely, Kaominina Mangabe, disitrikan’i Maevatanàna, ny talata 27 febroary lasa teo tokony ho tamin’ny 09 ora alina. Nisy ny fifandonana tamin’izany ka maty voatifitra ny olon-tsotra iray. Dahalo maromaro tsy voafaritra isa nirongo fitaovam-piadiana mahery vaika no nirohotra nanafika tany amin’io tanàna voalaza etsy ambony io. Tsy nisy sahy nanohitra ny fokonolona nanoloana ireo fitaovam-piadiana nentin’ireo mpanafika ireo. Omby 10 tao am-bala no lasan’izy ireo tamin’izany. Nampandrenesina malaky ny miaramilan’ny DAS ao Ambinanikely vantany vao lasa ireo dahalo, ka nisy ny fanarahan-dia nataon’izy ireo niaraka tamin’ny fokonolona ary dahalo iray no azo sambo-belona. Tafaverina tany amin’ny tompony ny omby rehetra. Mitohy kosa ny fanarahan-dia.

Ratantely

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire