Fiakaran’ny rano : Lehilahy iray maty tao amin’ny lakan-dranon’Andriantany

Jacaranda

Namono olona ny ranobe nateraky ny rotsak’oran’i Dumazile. Na dia tsy faritra mena sy faritra mavo aza Analamanga, dia nahafaty olona izany. Ny alin’ny alatsinainy hifoha  talata teo no nitranga ny loza tetsy amin’ny lakan-dranon’Andriantany, mifanitsy amin’Ankorondrano. Tsy fantatra mazava izay nahatonga ilay lehilahy ho latsaka tao anatin’ny rano na dia teo aza ny nisy nilaza fa nibolisatra izy raha handeha hamonjy fodiana hariva. Nifampitadiavan’ny olona ny tenany ary nifamonjena. Tsy nahomby anefa izany, satria toa niady irery ihany ireo olona izay nilaza fa mba niezaka ny nampandre ny mpamonjy voina ihany, saingy tsy nahitam-baliny. Vokatr’izany, dia ny olona no nifanampy tamin’ny fianakavian’ilay lehilahy izay indrisy fa tsy hita raha tsy efa maraina ary efa tsy nihetsika intsony. Tranga roa no nitovy tamin’io ary olona roa hatreto no fantatra fa namoy ny ainy tao anatin’iny rotsak’orana izay nitranga ny harivan’ny alatsinainy ka tsy nijanona raha tsy  ny efa marainan’ny talata iny. Tetsy Ambatoroka dia raim-pianakaviana iray hafa  koa no hita faty vao maraina, omaly. Raha ny filazan’ny olona, dia nibolisatra koa io farany ary nitontona tamin’ny vato ny lohany ka vaky. Teo izy no nanomboka tsy nahatsiaro tena kanefa mety ho tsy nisy nahita ary dia namoy ny ainy nony farany. Tsy faritra mena akory ary tsy loza nanambana ho an’Antananarivo akory ny rivo-doza Dumazile dia efa namono olona roa, ankoatr’izay mety ho hafa izay tsy mbola nahazoam-baovao. Izany dia midika fa efa tena tsy zakan’ity renivohitra ity intsony ny miatrika ny loza voajanahary. Efa antitra ny fotodrafitrasa ary koa ny lamina entina miatrika ny fahavoazana, dia tsy mandeha amin’izay tokony ho izy. Vokany, ny tsirairay sisa no mila mitandrina, fa tsy dia afaka miantehitra loatra amin’ny hafa. Rotsak’orana ao anatin’ny alina iray dia efa mahafaty olona, mbola tsy nisy akory ny rivotra mifofofofo…

D.R

Telma Fibre Vibe

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.