Ambohimangakely: Roalahy nihotsahan’ny vato tao amin’ny « carrière »

Ny iray nilatsaka avy eny ambony hantsana efa ho roapolometatra. Ny faharoa kosa nianjeran’ny vato ary goaka hatreo amin’ny saokany ka hatrany amin’ny kibony. Miasa eo anivon’ny toeram-pitrandrahana vato etsy Ambohimangakely izy ireo. Ny iray avy eo ambonin’ny bolongam-bato esorina. Ny faharoa kosa avy ato ambany ary misikotra izany amin’ny fitaovana samihafa. Ny toerana amin’io avo dia avo. Niala tokoa ny vato ary teo no tsy voakajy tsara ny lalany. Ny iray teo ambony, rehefa hitany fa ho ratsy ny tantara, dia nisafidy ny nisaoty avy hatrany tany amin’ny hantsana izay mifanakaiky teo. Ny taolan-damosiny no voamafy. Ny faharoa kosa nandalovan’ilay vatobe ny vatany ary divi-janahary no tsy namoizany aina. Samy nentina tao amin’ny Hjra izy ireo omaly ary notazomina ao avokoa nanomboka teo. Ny iray aza, raha araka ny vaovao azo, dia voatery nozairina ary ahiana hiditra trano fandidiana aza noho ny ratra betsaka nanjo azy. Mateti-pitranga ny loza ateraky ny tsy fitandremana amin’ny fitrandrahana vatobe eny amin’ny toerana misyazy ireny. Tsy vitan’izany aza fa mbola misy zaza koa ampiasaina amin’io asa izay sady mampiasa vatana no be risika. Efa betsaka ny poa-maso rehefa nipitihan’ny poti-bato, eo am-pamakiana azy. Tsy vitsy koa ny naratra mafy noho ny fampiasana dynamita, kanefa tsy voafehy izany. Tranga indray hafa izay matetika miverina koa, toy ity omaly antoandro tetsy Ambohimangakely ity, dia ny fihotsahan’ny vato nosikirina. 

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire