RN1 : Olona enina maty navadiky ny taxi-brousse



Jacaranda

Aina maromaro no indray nafoy tamin’iny lalam-pirenena voalohany iny omaly maraina. Fiara taxi-brousse iray, izay mampitohy ny renivohitra sy iny faritra Bongolava iny no nivadibadika. Vokany, enina tamin’ireo mpandeha no maty ary olona am-polony maro kosa no naratra mafy. Araka ny fantatra dia vao niala kely ny tananan’i Tsiroanomandidy, handeha hitodi-doha aty an-drenivohitra ity fiara ity io tra-doza io, teo amin’ny toerana antsoina hoe Ankadilalana. Efa malaza ratsy amin’ny fandehanana mafy tokoa ireo fiara mpitatitra mindrana iny lalam-pirenena voalohany iny. Ary tamin’ity indray mitoraka ity dia voalaza fa tena nandeha mafy ilay « sprinter ». Fiholanana be ihany anefa teo amin’io toerana io, kanefa dia mbola tsy nampihena ny hafainganam-pandehany izy. Hany ka tsy tana intsony ny familiana. Nivoaka ny arabe ny kodiarana, ary nitarika ny fivadibadihan’ilay fiara nony avy eo. Nandriaka tanteraka ny rà namonto ny arabe. Niampatrampatra ny vatana mangatsiakan’ny sasantsany tamin’ireo mpandeha. Niisa efatra izy ireo no maty tsy tra-drano. Tao kosa ireo naratra mafy, tapa-tanana, tapa-tongotra, toro loha, goaka kibo. Soa ihany fa mbola tsy lasa lavitra ny tanana no nisehoan’ilay loza. Tonga avy hatrany mantsy ireo mpamonjy, niezaka nanavotra ireo olona sisa velona sy naratra mafy tao anatin’ilay fiara. Nisy roa tamin’ireto farany no namoy ny ainy teny an-dalana, noho ny ratra lalina nahazo azy ireo. Efa tonga teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana  nanampy tamin’ny famonjena ireo naratra sy nisikotra ny vatana mangatsiakan’ireo namoy ny ainy tao ambanin’ilay karaokam-by. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity loza mahatsiravina iny any an-toerana. Araka ny filazan’ireo mponina any an-toerana tokoa dia mazàna no hitrangàna loza toa izao foana eo amin’io ampahan-dalana io. Ny sasany moa dia milaza fa hoe misy lolo manakana ilay toerana ary rehefa akaiky fety toa izao no mitranga izany. Ny azo lazaina sy iarahan’ny rehetra mahita anefa aloha dia matetika vokatry ny tsy fitandremana ataon’ny mpamily no tena mahatonga izany.

m.L

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. lay filazana hoe » am-polony maro no naratra » kosa aloha angamba tsy marina e!!! fa firy moa no zakan’ny sprinter no hisy am-polony maro !!! Ity fampiasana « receveur » ho chauffeur iray, ny faharoa le boay kely tsy te-hipetraka ambanivohitra de maka permis , ary de mitondra taxi-brousse na bus no anisan’ny mahabe ny accident !!! indrindra ny sprinter iaraha-mahalala ny tanjany, lay mpitondra « tsy ampy solaitra » tsy mahafehy ny conduite tsara ilay fiara. Asa raha mba efa nisy nieritreritra fa tokony tsy hahazo permis zany raha tsy manana niveau intellectuel hahazoana mahay mecanique farafahakeliny, hahafahana mitondra fiara .

  2. Ny lolo ve no nahatonga ny accident sa ny mpamily no tsy mamely sa ve ny anarany lay toerana hoe ankady lalana sa ve resaka sprinter.Ankamatatra an’iza ny fahadisona.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.