Toamasina : Lehilahy tratra nangalatra tao amin’ny « epicerie », matin’ny fitsaram-bahoaka

Jacaranda

Nihanahazo vahana tanteraka indray ity resaka fitsaram-bahoaka ity tato ho ato. Indrindra moa fa tany amin’iny faritra, toy ity nitranga tany Atsinanana ity. Lehilahy iray no namoy ny ainy, rehefa novonoin’ny fokonolona fa tratra nangalatra tao amina toeram-pivarotana iray. Tao amin’izany fokontany Andilambola ao amin’ny kaominina Andodabe izany no nitrangan’izany tranga izany ny voalohandohan’ny herinandro lasa teo. Araka ny tatitry ny zandary tonga taty aminay dia  lehilahy iray, manodidina ny 30 taona teo ho eo no tratry ny fokonolona, niditra an-keriny tao amina tranombarotra iray tao an-tanana. Efa nahazo zavatra mihitsy ity olon-dratsy ity tamin’io fotoana io no nifanenjehen’ireo fokonolona. Tsy lasa lavitra fa vetivety ihany anefa dia voasambotra ity mpangalatra ity. Tsy niandry ela ihany koa ireo fokonolona izay tsy nisalasala avy hatrany fa dia namono sy nidaroka ilay lehilahy. Tsy navelan’izy ireo moa raha tsy namoy ny ainy ity farany. Rehefa nandre ny zava-misy moa ireo zandary avy ao amin’ny tobim-paritra ao Foulpointe dia nidina avy hatrany tany an-toerana, niaraka tamin’ny lefitra faharoan’ny ben’ny tanana, nijery ifotony ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana. Efa nomena ny fianakaviany kosa ny razan’ity olona voalaza fa tratra nangalatra ity.

m.L

Telma Fibre Vibe

Share This Post

4 Comments - Write a Comment

  1. ny majinika ihany ty no minan’ny tadiny, fa reo voaroiroy @ fangalarana be vava (claudine, …) mipetrapetraka @ cellule 5 étoiles !

  2. Marina mihitsy ny teninao Ravonison. Ireo mpivarotra sy mpangalatra tany ireo mihitsy no tokony atao FB. tanimbarinay eto Morarano Alarobia, ketsan’olova sivy, lasan’ny karana ary tsy nahazoanay na dia ariary aza. T@ 2009 io zavorra io no nitranga. Nanao izay azo natao izahay kanefa ny tany efa voatototra. Ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny mialangalana daholo sady miteny hoe tsy misy azo atao intsony fa efa lasany.

  3. maninona moa raha reo mpangalatra tanitsika reo no atao fitsaram-bahoaka

  4. Pauvre Humanité avec leur justice populaire d’un autre temps … Quelle sauvagerie ? Quel avenir nous réserve ce pays dont le droit de l’ Homme n’est vraiment respecté si on laisse place a la justice barbare ?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.