Zandary miasa ivelan’ny minisitera mpiahy : Sata miaramila no mifehy azy ireo hoy ny tompon’andraikitra

Jacaranda
Ireo solon-tenan’ireo Andrimpanjakana sy minisitera tonga namaly ny antso.

« Tsy tokony hisy mihitsy fifangaroan’asa na ihany koa fampiasana ireo zandary, izay miasa ivelan’ny zandarimariam-pirenena ireo tsy ara-drariny, satria sata miaramila no mifehy azy ireo, fa tsy sata amin’ny maha mpiasam-panjakana azy ireo ». Io no tsindrim-peo manokana nentin’ny Tompon’andraikitra ambony iray eo anivon’ny zandamariam-pirenena, ny Jeneraly Tsirivelo Nicolas, talen’ny kabinetra eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny zandary ; izay nivory niaraka tamin’ireo solon-tenan’ireo Andrimpanjakana sy minisitera ary Departemanta isan-tsokajiny avy mampiasa zandary. Fivoriana izay notontosaina tetsy amin’ny Toby Jeneraly Philibert Ramarolahy tetsy Betongolo, omaly. Ambonin’izay tsindrim-peo manokana izay tokoa, dia isan’ny niompanan’ny fivoriana ny fampahafantarana sy famoaboasana ireo lalàna manan-kery mikasika ny fampiasana zandary ivelan’ny Minisiteran’ny Fiarovam-pirenena sy ny Zandamariam-pirenena. Izany rehetra izany no natao , dia mba ho fanatsarana ny fiaraha-miasa misy eo amin’ny roa tonta. Samy nankasitraka izany avokoa moa, ary indrindra ilay fihaonana ireo solon-tena tonga tao. « Teo am-pamaranana, dia nitondra ny teny fisaorana sy fankatelemana ho an’ireo rehetra tonga  namaly ny antso, ity tompon’andraikitra ambony eo anivon’ny zandary ity.

m.L

Telma Fibre Vibe

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Tsy dia tena hita no tena tian’ilay mpanoratra lazaina momba io fivorina io. Ny zandary sasany anie ka manao GARDE DE CORPS -na karana na sinoa eh. Ary ny lehibeny no maniraka azy manao anio izay mandray vola be mihitsy.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.