Akon’ny paka teto Andrenivohitra : Nahatratra 151 ireo olona nosamborin’ny pôlisy

Azo lazaina fa nanao ny asany tokoa tamin’ny fitandroana ny filaminana ireo pôlisy an’arivony, 1167 raha ny marina, nivezivezy teto Andrenivohitra sy ny manodidina, raha ny faran’ny herinandron’ny paka teo. Nilamina tokoa mantsy amin’ny ankapobeny izany fety an-danonana isan-karazany tamin’ireo faritra maro teto. Tsy dia nahitàna korontana loatra raha ny antontan’isa navoakan’izy ireo, noho ny fisorohana sy ny fisamborana ireo olona mety noahiahiana mety nanao izany. Mitotaly eo amin’ny 151 teo tokoa mantsy ny fisamborana nataon’izy ireo, noho ireo fandikan-dalàna maro isan-karazany, nanomboka ny alakamisy masina teo, ka hatramin’iny alatsinain’ny paka. Nisy tamin’ireo ny mpandroba voasambotra izay niisa roa, mpanendaka, mpangarom-paosy, mpangalatra nahatratra 55. Raha amin’ny resaka zava-mahadomelina dia nisy olona efatra nosamborina noho ny fifohana rongony, olona 10 mamo an-dalambe. Fa tetsy andanin’izay dia olona mampiahiahy 58 no voatery nosamborina sy nohadihadiana. Eo amin’ny resaka lozam-pifamoivoizana dia nahatratra 19 izany teto Andrenivohitra. Marihana fa tsy nisy ny aina nafoy tao anatin’izany, saingy 29 kosa ireo  naratra. Tao anatin’izany lozam-pifamoivoizana izany dia tranga iray tamin’ireo no olona mamo nitondra fiara, ary tranga roa kosa no nisiana fitsoahan’ny nahavanon-doza. Azo ambara ihany koa fa nirindra ihany ny fifamoivoizana, eny fa na dia teo ihany aza ny fitohanana tetsy sy teroa tamin’ireo lalam-pirenena mivoaka sy miditra ny renivohitra.

m.L 

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.