Fakana an-keriny an’i Kalidas : Mpiambina iray nadoboka eny Tsiafahy


Mpiambina ny tranombarotra Kalidas iray no nadoboka eny Tsiafahy. Ity farany dia voarohirohy tamin’ny resaka fakàna an-keriny ny tompon’ity tranombarotra ity. Araka ny fanazavàna nomen’ny pôlisy dia afak’omaly no voasambotra teny Analakely ity tovolahy ity. Taorian’ilay trangana fakàna an-keriny nitranga teny Antanimena, ny tapaky ny volana febroary iny tokoa mantsy dia efa nisy olona voasambotra. Tao anatin’izany fanadihadiana izany no niverimberina matetika ny anaran’ity tovolahy mpiambina ilay tranombarotra ity. « Natao ny fanarahan-dia sy ny vela-pandrika ka tra tehaka tao Analakely ity farany. Tamin’ny fisavana ny tranony teny Ambohimalaza dia nahatratrarana fitaovana toy ny « matraque éléctrique » sy « poignard ». Taorian’ny fanadihadiana dia natolotra ny Fitsarana ary notanana am-ponja vonjimaika eny Tsiafahy », hoy ny fampitam-baovao azo avy amin’ny pôlisy. Marihana efa votsotra ity teratany karàna ity saingy mbola mitohy hatrany ny fanadihadiana mahakasika ireo nahavanon-doza tao ambadik’izany fakàna an-keriny izany.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

2 Commentaires - Ecrire un commentaire

  1. Izao no soso-kevitro @ ireo mpanao fakana an-keriny sy ny dahalo tratra ary ireo mpamono olona : averina indray ny FONJAN’I NOSILAVA dia alefa any izy ireo.

  2. Karana ihany no ambadiky ny hakamaroan’ny fankana ankeriny. Izy samy izy ihany ireo.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.