Sakaraha : Lehilahy iray nentin’ny ranotrambo, tsy hita faty hatramin’izao

Saika isan-taona, olona maro no matin’ny ranotrambo (Oued) amin’ny tapany  Atsimon’ny Nosy iny. Afak’omaly, raim-pianakaviana iray niampita tamin’ny ”radier” no lasan’ny ranotrambo, tao Mahaboboka Distrikan’i Sakaraha, ka mbola tsy hita faty hatramin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra. Tamin’ny fandalovan’ity ranotrambo ity, dia tapaka mihitsy ny fifamoivoizana tamin’ny RN7, ary tsy maintsy niandry ora telo teo ho eo ireo fiara vao afaka nandeha, hoy ny vaovao. Tsara ho fantatra, fa ny ranotrambo dia ranon-d riaka mihandrona an-tendrombohitra na  an-tamponkavoana aorian’ny ora-mikija be, ka rehefa mafana ny andro dia mitady làlana/tafara-dalana mitambatambatra mamorona lalandrano kely maromaro, ary mitobaka mafy be sady tampoka mamonjy toerana iva, izay mifofofofo haingam-pandeha mahazaka fiara lehibe mihitsy, ary mety mamono olona maro raha tsy mitandrina, satria tsy ampoizina ny fivoahany avy any. Maro amin’ireo mponina any Atsimo no mahafantatra ity tranga natoraly ; izay mamitaka vahiny ao anatin’ny fotoana mibaliaka masoandro ity.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire