Tapatapany

Jacaranda

#- Ambatomainty. Vehivavy niampita, maty nodomin’ny fiara. Vehivavy iray no namoy ny ainy, ny alarobia lasa teo, tetsy Ambatomainty rehefa voadona ary niafara tany ambanina kodiarana taxi-brousse iray. Araka ny filazan’ireo olona teny an-toerana dia tsy nandeha mafy akory ity fiara ity fa vao hiainga mihitsy aza. Sendra niampita ity vehivavy ity ary tafintohina. Nianjera tany amin’ny arabe ary voarain’ny kodiaran’ilay taxi-brousse. Tsy nisy azo natao intsony ny aminy taorian’izay. Efa mandeha moa ny fanadihadiana mahakasika ity loza ity.

#- Manjakandriana. Tokantrano voatafika, olona iray maty voatifitra. Andian-dahalo teo amin’ny 20 lahy teo no nanafika tokantrano iray tany amin’iny kaominina Sadabe iny. Vokany, olona iray no namoy ny ainy, lavon’ny balan’ireo olon-dratsy, vola mitentina eo amin’ny 8 tapitrisa ariary teo no lasan’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ny finday fito, ary zava-tsarobidy maromaro. Zandary maromaro avy amin’iny borigadin’ny Sadabe no tonga tany an-toerana nijery ifotony ny zava-nisy, ary nanenjika ireo olon-dratsy.

Nangonin’i m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.