Tsiroanomandidy : Basy vita gasy miisa 8 tratra tao Vohimasina, lehilahy iray naiditra am-ponja



Jacaranda

Rehefa nandalo Fampanoavana tao amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany tao Tsiroanomandidy, ny 14 mey teo, ny lehilahy iray mpanamboatra basy vita gasy voasambotry ny Zandary avy ao amin’ny Borigadin’ny Belobaka, ny Sabotsy lasa teo, tany amin’ny Fokontany Vohimasina, Kaominina Ambanivohitry Belobaka. Nandritra ny fisavan’ny Zandary, dia tra-tehaka tao an-tranon’ity raim-pianakaviana ity ny basy miisa valo niaraka tamin’ireo akora sy fitaovana maromaro fanamboarana izany, ka tsy afa-niala intsony izy. Noho ny fanomezam-baovao marim-pototra avy amin’ny olona tsara sitrapo nitorika ny fisian’ olona manamboatra sy mivarotra basy tao an-tanàna no nirosoan’ny Zandary tamin’ny fisavana ny tranon’ity voarohirohy. Ny Zandarimariam-pirenena dia maneho ny fisaorana hatrany ho an’ireo olona miara-miasa aminy manampy amin’ny fanomezam-baovao mba hisorohana ny ratsy ka hisian’ny fandriampahalemana maharitra, satria raharahan’ny rehetra ny ady amin’ny fiparitahan’ny fitaovam-piadiana.

Eric Manitrisa


Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Aleo atao fitsarambahoka ny mpamasy basy aminy fanaovana ratsy eto aminy firenena.Ny majorité ny victime dia olon-tsotra fa ny mpanankarena afaka miaro tena. Si non avelao ho libre ny port d’arme comme au USA de samy miaro tena tsika malagasy.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.