Beloha Androy : Fito volana tsy nilatsaka ny orana, ripaky ny hain-tany ireo voly sy biby fiompy



Jacaranda

Vokatry ny tsy filatsahan’ny orana tao anatin’ny fito volana any amin’ny distrikan’i Beloha Androy, dia ripaka sy potiky ny hain-tany ireo voly. Noho ny tsy fahampian-drano, dia maro amin’ ireo biby fiompy no maty sy mahia. Ary mandeha an-kilometatra maro ny mponina vao mahita rano hosotroina sy handrahoana sakafo, kanefa mbola ranom-potaka maloto tsy ara-pahasalamana. Noho ny haintany misy dia tsy ampy ny vokatra, ary miatrika olana ara-tsakafo noho ny kere ny ankamaroan’ny vahoaka amina kaominina miisa fito any an-toerana, ka raketa mena tsy fihinana akory no sisa azo hanina, noho ny tsy fisian-tsakafo. Rehefa voky mamon’ny raketa mena ireo zaza dia midaboka matory etsy sy eroa, fa ireo ray aman-dreny kosa mandeha mitady mihady fangitsy (karazana ovy ala be rano) harapaka ny hariva, satria maro amin’ireo fianakaviana tsy manan-kohanina intsony no efa nivarotra ny fanaka tao an-tranony sy ireo biby fiompiny namidy sakafo, ary tapitra namidy avokoa ny masomboly tahiry tokony hambolena eny an-tanimboly.  Io no fantatra tamin’ny fanadihadiana natao nandritra ny fandalovan’ny mpanao gazety tany an-toerana.

Eric Manitrisa

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.