Famonoana « surveillant » : Olona telo no tena ahiahian’ny fianakaviany

Tamin’ny rindrindra facebook an’ny vadiny no nahitàna omaly fa telo lahy no namono nahafaty ny andefomandriny. Nametrahany hafatra rahateo mba hahatonga saina an’ireo, satria lasa kamboty tsy fidiny ny zanany kely ary lasa mananon-tena ny tenany. Midika izany fa efa nanao ny fanadihadiana mifanandrify azy koa ny fianakavian’ny maty ary olona telo izany no tena tazomin’izy ireo ho tompon’antoka. Ny teo anivon’ny polisy indray omaly dia nilaza fa efa mandeha ny fanadihadiana saingy tsy nanamarina izy ireo na tsia ny amin’ny hoe nisy efa nosamborina. Loharanom-baovao hafa mihitsy no nilaza fa efa nisy olona iray nosamborina omaly. Betsaka ny kivy tamin’ity tranga iray izay mahakasika ny famonoan’ny mpianatra olona, indrindra koa olona manana andraikitra no niharan’ny herisetra. Tsy misy intsony izany ny fanajàna olona raha oharina amin’ity tranga ity. Na inona na inona mantsy mety ho fifandirana (mahakasika ny lalao basket izay natao) dia tokony ho nijanona avy hatrany ny ady raha vao niditra an-tsehatra ilay mpanabe na ho an’ny andaniny izany na ho an’ny ankilany. Indrisy anefa fa tsy izany velively no nitranga satria ilay tompon’andraikitra indray no novonoin’izy ireo. An-kavitsiana tamin’ny trangam-piarahamonina izay niseho ny fikasihan-tànana izay nataon’ny mpianatra ny mpanabe, saingy nitranga izy izao ary niteraka resa-be avy hatrany. Tezitra ny olona satria endriky ny firodanan’ny toe-tsaina eo anivon’ny sekoly ny zava-mitranga. Etsy andanin’izany, raha ny feo mandeha dia ahiana ny hisian’ny valifaty hataon’ny mpianatr’ilay olona niharam-boina izay tezitra mafy noho ny zava-miseho. Mila fandraisana andraikitry ny mpitandro ny filaminana indrindra amin’ny fanadihadiana mangarahara, ny mpitantana ny sekoly ary koa ny ray aman-dreny. Ahiana hifamono ny tanora raha tsy voafehy haingana izany.

D.R

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Fanamarihana kely ho an’i D.R. nanoratra ny lahatsoratra, ny vehivavy ihany no antsoina hoe andefimandry.

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.