Pantekosta 2018 : Polisy 2271 no hahetsika eto Antananarivo



Jacaranda

Toy ny fanaony isan-taona dia misy ny fandaminana napetraky ny Polisim-pirenena mba hitandroana ny filaminana sy ny fifamoivoizana mandritra ny fankalazana ny fetin’ny pantekosta. Fantatra ary fa polisy 4677 no hahetsika mandritra io fotoana io ka ny 2271 amin’izy ireo no hiandraikitra ny ato amin’ny faritanin’Antananarivo, 545 ny an’i Toamasina, 455 ho an’Antsiranana, 627 ny an’i Mahajanga, 572 ho an’i Fianarantsoa ary 307 ho an’iToliary. Nofidiana manokana ho lohahevitra hitondrana ny hetsika amin’ity taona ity ny hoe : “filaminana iaraha-misalahy, fisorohana ny loza mialoha“. Mba hahatanteraka izany dia tsy maintsy hisy ny fitandroana ny filaminana amin’ireo fidirana sy fivoahana ny tanàn-dehibe rehetra. Hambenana ireo toeram-panaovam-pety sy toeram-pivavahana mandritra ny herinandro masina sy ny alahady mba hahafahan’ny rehetra mifety am-pitoniana tsy misy ahiahy. Hojerena manokana ireo toeram-pitsangantsanganana izay andehanan’ny ankamaroan’ny olona rehefa alatsinain’ny Pantekosta.

Fandrindrana ny fifamoivoizana. Hiezaka ny Polisim-pirenena mba hanamaivanana araka izay tratra ny fikorianan’ny fifamoivoizana, na “fluidité de la circulation” an-tanan-dehibe. Hotandrovina ny filaminana amin’ny lalam-pirenena. Hanentana ireo mpampiasa lalàna mba hifanaja hisorohana ny loza sy hanamora ny famonjena na “évacuation” raha sanatria ka mitranga izany.  Manambara ny Polisim-pirenena fa  anisan’ny tsindriana mafy amin’izany ny fisorohana, kanefa raha sendra ny tsy azo anoharana dia tsy maintsy ho tonga amin’ny fanenjehana sy fanasaziana. Koa miantso ny rehetra ny Polisim-pirenena mba samy handray ihany koa ny fepetra manandrify azy. Hitandrina amin’ny fisotroana alikaola, ka hahalala onony.

T.M.

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.