Imerintsiatosika : Mpitahiry volam-piangonana nisy nanafika

Nandravarava ny andian-jiolahy tany Imerintsiatosika tany. Tokantrano roa no indray nasesin’izy ireo notafihana ny alin’ny alarobia hifoha alakamisy teo. Anisan’izany ny tokantranona mpitahiry volam-piangonana iray, izay nahazoan’izy ireo vola an-tapitrisany.

Tao amin’ny tananan’Ambatoasana, ao amin’ny fokontany Ambohimiadana, no nisy ireto tokantrano notafihan’ny jiolahy ireto. Araka ny fampitam-baovao azo dia nahatratra teo amin’ny 12 lahy teo ireo olon-dratsy, izay nirongo basy poleta vita gasy niaraka tamin’ny zava-maranitra isan-karazany. Amboletra avy hatrany no nidiran’izy ireo tamin’ireo tokantrano voatafika. Ny tranon’ilay mpitahiry volam-piangonana no nataon’izy ireo lasibatra voalohany. Samy mbola revo tao anaty torimaso mantsy ireto tompon-trano ka tsy nanao na inona na inona intsony nanaloana ny vava-basy sy ireto olon-dratsy mahatahotra. Hany hery dia nanome izay rehetra notadiavin’izy ireo. Lasa araka izany ny vola izay mitentina eo amin’ny roa tapitrisa ariary mahery teo ho eo, niaraka tamin’ny fahitalavitra iray sy ny finday maromaro. Niala toy ny tsy teo tao amin’io trano io izy ireo rehefa nahazo izay nilainy, ary nifindra avy hatrany tamina tokantrano tsy lavitra teo. Toy ny tetsy amin’iny trano voalohany ihany dia tsy nisy sahy nisetra ireto jiolahy miravaka fitaovam-piadiana ny tompon-trano. Vola manodidina ny roa hetsy ariary teo indray no azon’izy ireo tao, niaraka tamin’ny finday iray. Nanao tari-dositra nitsoaka avy hatrany izy ireo rehefa nahazo. Taorian’izay moa vao afaka niantso vonjy tamin’ireo mpitandro filaminana tany an-toerana ireto voatafika ireto. Efa mandeha ny fikarohana azy ireo araka ny fampitam-baovao azo hatrany. Ny zandary avy ao amin’ny borigadin’Imerintsiatosika moa no mandray an-tanana ny raharaha ary manohy ny fanadihadiana hikarohana ireto andian-jiolahy ireto. Marihana fa na nirongo basy aza ireto tontakely dia tsy nisy naninona ireto voatafika ireto.

m.L

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.