Itaosy : Renim-pianakaviana namono nahafaty ny zanany telo taona



Jacaranda

Renim-pianakaviana iray, monina eny amin’iny faritra Itaosy iny no namono nahafaty tsy nahy ny zanany tao anaty hatezerana be loatra. Vokany, ankizivavy kely no namoy ny ainy rehefa voatoraka teo amin’iny lohany.

Ny tendrom-po tokoa tsy mba namana. Tsy nitsoaka akory ary tsy niala teo amin’ny vatana mangatsiaka an-janany ity renim-pianakaviana iray, monina eny amin’iny faritra Itaosy, rehefa tonga saina tampoka tamin’ny zavatra vitany. Tao anatin’ny hatezerana tanteraka mantsy izy talohan’io noho ny « ditran’ity ankizikely ity ». Faravaviny izy io, izay vao telo taona monja, ary izy mianaka irery ihany no tao an-tranony taminio fotoana io. Amin’izay taonany izay dia somary mafy loha kely ity zanany, ary matetika no bediny foana, araka ny angom-baovao azo. Tamin’ity indray mitoraka ity, rehefa notenenina tsy nety ilay ankizy no nampiakatra tanteraka ny hatezeran-dreniny. Ny rotorotom-piainana sy ireo olana mianjady isan’andro, manampy trotraka rahateo, ka tsy voatana intsony ny fihetsika. Izay voarain’ny tanany no avy hatrany dia natoraka ilay ankizy. Vato fanoto izy io, araka ny vaovao hatrany. Niantefa tanteraka tokoa teny amin’ity zaza izany toraka izany ary nahazo avy hatrany lohany. Nandriaka avy hatrany teo ny rà, niakarapoka tsy nahatsiaro tena nony avy eo, ary tsy nihetsika intsony. Tonga saina tampoka teo noho ity loza nataony anefa ity renim-pianakaviana ka nihazakazaka namonjy azy, saingy indrisy fa tsy nitempo intsony ny fo keliny ary efa vatana mangatsiaka sisa azo nobatainy teny am-pandriana. Taorian’io izy vao niantso vonjy ary nampilaza ny manodidina ny zava-nitranga. Tonga avy hatrany teny an-toerana ny rehetra, niaraka tamin’iny mpitandro filaminana. Nijery ifotony ny zava-nisy ny nanao ny fanadihadiana rehetra, ary ny nahafantarana ny tena zava-nitranga marina. Nentiny avy hatrany tany amin’iny biraon’ireo mpitandro filaminana moa ity renim-pianakaviana ity ary natao andrimaso. Nandritra ny famotorana no niaikeny tanteraka ity loza vitany. Hatezerana diso toerana ka namonoana tsy nahy sombiniaina.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.