Ambatovy : Miroso amin’ny famerenana ny ala ny tompon’andraikitra

Jacaranda

Veleran-tany 100ha no efa voavoly zanakazo haingam-paniry ao amin’ny faritra izay efa tsy hanaovana fitrandraha intsony. Mahatratra 24ha isan-taona ny velaran-tany hanaovana izany. Nandritra ny fotoana naharitra no efa nikolokolo sy nanao ny fikarohana ny zanakazo ireo tompon’nandraikitra. Nojerena manokana avokoa ireo hazo afaka miara-monina sy ireo hazo saro-bidy ary ireo hazo tsy fahita raha tsy tao amin’ny faritry ny toeram-pitrandrahana. Mialoha ny  hanatanteraha ny fambolena dia efa nanao ny fitiliana sy fanaraha-maso ireo manam-pahaizana manoakana ny tany satria esorina ireo nofon-tany ary apetraka amin’ny toerana voatokana. Averina eo indray rehefa afaka avokoa ny tany hanaovana ny fitrandrahana. Namela toerana tsy nokitihina kosa ireo tompon’andraikitra nametrahana ireo karazam-biby maro samihafa. Aorian’ny fahataperan’ny fotoam-pitrandrahana eto an-toerana dia mbola miasa dimy taona aoriana ireo tompon’andraikitra amin’ny fanaraha-maso ny fanerenana ny ala naverina satria efa teo izy ireo no nesorina nangalàna ny tany voafaritra sy nahitana ny akora fototra izay trandrahan’ny orinasa.

Cathy

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.