Bypass : Misy mangalatra ireo entana eny ambon’ny tafon’ny taxi-brousse



Jacaranda

Raha iny teny amin’iny lalam-pirenena faharoa iny no nampikaikaika ireo mpitatitra ny amin’iny fisian’ireo olon-dratsy izay tsy tahotra tsy henatra, mihanika eny ambony tafo ary mangalatra ireo entan’ny mpandeha. Amin’izao, tsy lavitra no misy an-dry zalahy ireo fa efa tonga etsy Bypass. Ny sasantsany amin’ireo taxi-brousse handeha hianatsimo no isan’ny lasibatra amin’io. Indrindra fa ireo somary miala harivariva avy etsy amin’iny toby misy ny fiantsonany. Araka ny filazan’ireo nahita, dia misy faritra amin’iny lalan’i Bypass iny izay tena maizina tokoa, kanefa tsy maintsy mandeha mora ny fiara, satria misy sampanan-dalana. Eo izy ireo no manararaotra miakatra any ambony tafon’ilay taxi-brousse, tsy tsikaritr’ireo ao anaty fiara akory. Mamaha ny fatorana ary mibata izay entana zakany avy eo manipy izany eny amin’ny sisin’arabe. Azo heverina fa mety ho efa misy namany ihany koa mandeha an-tongotra ka mitsimpona avy hatrany ireo halatsak’ireo eny ambony. Izany rehetra izany dia tsy misy mahatsikaritra raha tsy hoe sendra ny nitsilo tampoka lasa ambony taratry ny jiron’ny fiara avy ato aoriana. Toy ny nahazo ny taxi-brousse iray izay voampandre mialoha ny mpamily ary nijanona avy hatrany. Ny nahagaga anefa dia vetivety teo dia tsy hita izay nitsambikinan’ilay olon-dratsy avy eny ambony eny. Soa ihany fa tsy mbola nahazo na inona na inona ilay mpangalatra tamin’io fotoana io.

Tsy kely lalana tokoa ny ratsy ary mahita hevitra foana hanatanterahana ny asa ratsiny. Ny fiarabe mitondra kaontenera no isan’ny lasibatra tokoa tamin’iny lalam-pirenena faharoa iny. Nitatra teo ny hevi-dratsin’ireo mpangalatra ka lasa lasibatra ihany koa ireo taxi-brousse. Tsy fantatr’ireo ao anaty fiara akory izay zava-misy ao ambony tafo ao, fa rehefa tonga any amin’izay alehany vao hita fa maro ireo entana nanjavona. Efa nilamindamina anefa izany tranga izany fotoana maromaro teo izay noho ny fandraisana andraikitr’ireo mpitandro filaminana misahana iny lalana iny. Ary dia izao mitady hiverina indray. Miantso ireo tompon’andraikitra amin’izay hijery akaiky ity zava-nisy ity.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.