Ankadindramamy : Fiarabe mpandraoka fako, nifandona sy nifatratra tanaty tamboho



Jacaranda

Raha nisy kely, dia efa aina maromaro indray no nafoy, tetsy Ankadindramamy, omaly maraina. Irony fiarabe mpandraoka fako eto an-dRenivohitra irony no nifandona ary namarana ny diany tany amin’ny  tambohon’olona ny iray, rehefa avy nandona zavatra vitsivitsy teny an-toerana. Teo akaikin’ny sampanana miditra mankany Ankerana iny no nitranga ny loza, manakaiky indrindra ny toby mpivarotra lasantsy iray, tokony ho tamin’ny iray ora maraina tany ho any, araka ny filazan’ireo nanatri-maso. Hatreto, dia tsy fantatra mazava izay antony nahatonga ny fifandonana. Vinavinaina ho antony ara-teknika ihany angamba, hoy ny maro, toy ny mahavoa foana ireo fiarabe miasa ho an’ity sampan-draharaha misehatra amin’ny fanadiovana ny renivohitra ity. Nisy fotoana tokoa mantsy saika mitera-doza foana ireo fiarabe ireo, noho izay antony ara-teknika izay : na io hisatra tsy mamaly intsony na olana eo amin’ny  familiana, fiara efa zara raha mandeha sisa ny sasany sy ny maro hafa. Manampy trotraka izany ihany koa ny fomba fitondran’ireo mpamily itony fiarabe itony, izay toy ny misetrasetra mihitsy rehefa eny an-dàlana eny. Ary indrindra indrindra ny tsy fanajana ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, izay isan’ny mampimenomenona tanteraka ny maro amin’ireo mpampiasa làlana izay sendra azy ireo. Fa raha mikasika ity loza nitranga tetsy Ankadindramamy ity, dia efa tonga teny ireo tompon’andraikitry ny filaminana nijery ifotony ny zava-nisy. Marihana, fa tsy nisy namoy ny ainy na  naratra mafy, tamin’ity lozam-pifamoivoizana ity, saingy ny zavatra simba no maromaro ihany.

m.L


Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.