Tsaratanàna : Lehilahy no nisy naka an-keriny, mitaky 40 tapitrisa ariary



Jacaranda

Lehilahy iray no nisy naka an-keriny, tany amin’ny fokontany Anjokozoko, kaominina Andriamena, disitrikan’i Tsaratanàna, ny alin’ny Alatsinainy lasa teo. Fantatra izao, fa efa mandeha sahady ny fitakiam-bola ataon’ireo jiolahy, any amin’ny fianakavian’ity rangahy ity ; izay mitentina 40 tapitrisa ariary eo. Na izany aza, dia mampanahy mafy ny fianakaviany ny ain’ilay rangahy be. Tsy hay anefa izay manjo azy, hatramin’izay fotoana nitazonan’ireto mpaka an-keriny azy any. Raha tsiahivina dia mpanefoefo any an-toerana ity lehilahy lehibe, nalain’ny jiolahy an-keriny tao amin’ny fokontany Anjokozoko ity, ny Alatsinainy 11 jona lasa teo, tokony ho tamin’ny 11 ora sy sasany alina. Jiolahy nirongo basy izay tsy voafaritra isa no nanao ny asa ratsy. Ary tonga dia nidiran’izy ireo an-keriny tao an-trano izy sy ny vadiny. Ilay raim-pianakaviana ihany anefa no nentiny nitsoaka fa ny vadiny navelan’ireo jiolahy teo ihany. Efa misy hatrany kosa ny fiaraha-miasa ataon’ny fianakaviany amin’ireo Zandary any an-toerana. Ary  efa eo am-pelan-tanan’ny mpitandro ny filaminana  ny raharaha. Tsiahivina, fa efa in-droa nisesy izao no nisian’ny fakana an-keriny tany an-toerana araka ny fanazavan’ Atoa Zanelisy Armand, lehiben’ny vondron-tobim-pileovan’ny Zandarimariam-pirenena  eto Betsiboka taminay, omaly.

Ratantely

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.