Anosizato Zaza 3 taona nisy nangalatra, saika hovonoina tao rano



Jacaranda

Zazavavy kely vao telo taona monja no tsy hita tao amin’ny fokontany Anosizato Andrefana ny alakamisy lasa teo. Efa tany anaty rano teny an-toerana ity zaza tsy manan-tsiny ity no hitan’ny fokonolona.

Raha ny zava-nitranga, araka ny tatitra azo avy amin’ny zandarimariam-pirenena, dia tonga tao amin’ireto farany ny ray aman-drenina zazakely iray, ny antoandron’io andro io. Nolazain’ireto farany fa very ary tsy hita ny nalehan’ny zanany vao telo taona monja. Nanomboka teo ny fitadiavana ity ankizy kely ity. Tamin’io fotoana io ihany koa anefa no nisy nilaza fa nalaina sy nentina vehivavy io zaza io. Vehivavy izay marihana fa fantatry ny rehetra eo an-toerana. Ny tena loza anefa dia tsy fantatra  na nentina aiza na nentina aiza ity zazakely ity. Ary tsy vitan’izay fa mbola voalaza ihany koa fa manana aretin-tsaina ilay vehivavy nitondra azy. Taorian’izay tokoa dia fantatra fa natsipin’ity farany tanaty farihy antsoina hoe Bamba teny an-toerana ihany ilay zazakely, izay toa niniana novonoina mihitsy. Soa ihany anefa fa nisy nahita izany zavatra nataony izany : lehilahy iray nitondra lakana teny an-toerana. Ity farany no avy hatrany dia niezaka namonjy ilay zaza tsy manan-tsiny tao anaty rano. Noho ny herim-po nasehoan’ity lehilahy ity dia avotra soa aman-tsara ihany ilay zaza, ary efa nomena ny ray aman-dreniny taorian’ny nitondrana azy tany amin’ny tobim-pahasalamana. Nosamborina kosa tetsy andanin’izay ilay vehivavy nahavanon-doza ary mbola tazomina atao andrimaso sy fanadihadiana eny amin’ny biraon’ny zandary eny an-toerana, raha ny tati-baovao hatrany. Tokony ho mailo tsara tokoa ireo ray aman-dreny amin’ny fitazaina ireny zazakely ireny. Indrindra fa ireo zaza hoe apetraka fotsiny hilalao eo an-tokotany tsy misy mpijery akory. Tsy kely lalana tokoa mantsy ny ratsy amin’izao, toy ity nitranga ity. Raha nisy kely mantsy dia efa vatana mangatsiaka sisa no hitan’ireo ray aman-dreniny.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.