Fiparitahan’ny rongony eto Toamasina : Renim-pianakaviana no tena mpivarotra sy mpamongady izany



Jacaranda

Isan’ny tena fositry ny olam-piarahamonina eto Toamasina ny fiparitahan’ny rongony eny anivon’ny fiarahamonina. Manomboka manodidina ny 13 taona ny tanora, lahy na vavy, dia efa miroso amin’ny fifohana azy ity, noho ny fiparitahany eny anivon’ny fokontany, sekoly ary eny an-dalana samihafa eny. Efa ho roa taona izao, araka ny baikon’ny tonia mpampanoa lalana eto Toamasina, no nanao ny fikarohana sy fisamborana ireo mpivarotra, mpamongady, ary mpifoka azy ity ny polisy, saingy hatramin’izao, noho ny tambajotra matanjakana, dia tsy mety foana izany fa vao mainka aza mahazo aina ny trafika. Ny alakamisy antoandro be nanahary tokony tamin’ny 12 ora sy 50min, raha nahazo antso tamin’ireo olona tsara sitra-po ny FIP dia tonga nijery ny zava-nisy teny akaikin’ny famonoana ombin’ny kaominina, izay fiantsonan’ireo kamiao miandry entana eo anivon’ny seranan-tsambon’i Toamasina. Tratra ambodiomby tamin’izany ny renim-pianakaviana roa, Bernadette 58 taona sy Tiana 32 taona. Tsy nisy mpifoka tratra aloha tamin’izao fisamborana nataon’ny FIP izao, satria mbola teo am-piandrasana mpividy ho tonga mihitsy izy roa vavy ireto nandritra izany. Nilanja 05kgs ny rongony tratra teny amin’izy mianaka ireto, ao ny efa vita fonosana azo fohana avy hatrany, tao kosa ireo mbola amin’ny tahony ho an’ireo mbola hivarotra. Mazava, hoy ny FIP, fa ity rongony ity izany no fositry ny lozam-pifamoivoizana saika nahafaty olona tamin’ny lalam-pirenena faha-02 iny, satria maromaro ny tranga niseho tato ho ato indrindra ny samy kamiao mifandona mivantana.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.