Toamasina : Manao « operation » mpanendaka ny polisy amin’izao fetim-pirenena izao



Jacaranda

Tao anatin’ny roa herinandro izao dia saika isan’andro dia mahazo mpanendaka ambodiomby hatrany ny polisim-pirenena eto Toamasina. Isan’ny olana goavana amin’ny filaminam-bahoaka mantsy ity resaka fanendahana ity ankehitriny eto Toamasina, ka araka ny baikon’ny prefen’i Toamasina Benandrasana Cyrille amin’ny maha-lehiben’ny OMC azy, dia baiko no nomeny amin’ny fametrahana filaminam-bahoaka ao anatin’ny fankalazana ny fetim-pirenena, izao nanaovan’izy ireo “operation” manokana izao mihitsy. Ny alakamisy teo dia mpanendaka moto iray, mbola tratra tany aminy ireo moto roa avy nangalariny, sy mpanendaka olona anaty fiara mijanona iray hafa mbola sarona niaraka tamin’ireo entan’olona nangalariny ihany koa, ary mpanendaka ireo olona tratra hariva sy ny alina roa lahy mbola niaraka tamin’ireo antsy be fampiasan’izy ireo indray no saron’izy ireo ambodiomby. Vokatry ny fiaraha-miasan’ny fokonolona sy ny polisim-pirenena no niteraka ny vokatra azo, ka ampirisihan’izy ireo hatrany ny fifanampiana noho ny filaminam-bahoaka tsy vitan’ny mpitandro ny filaminana samy irery. Ankoatra izay dia mahatsapa ny eny amin’ireo fokontany sy ny lalana voasokajy ho mena amin’ity fanendahana ity, fa tato ho ato, noho ity “operation” ataon’ny polisy momba izany ity, dia mba milamidamina ny fokonolona, na mbola olana aza ny haizina iainan’izy ireo noho ny olan’ny takamoa amin’ny andrin-jiro izay anjaran’ny kaominina no misahana azy.

Malala Didier

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.