Toliara : Ramatoa tratram-badiny nampirafy azy, matim-bono



Jacaranda

Tranga nahavalalanina ny maro no niseho, omaly misandratra andro tokony ho tamin’ny 10 ora teo, tamin’ny lalana mihazo Amoron-driaka iny, tao amin’ny Fokontany Tsimenatse III Toliara. Renim-pianakaviana iray manodidina ny 30 taona eo, izay voalaza fa tratram-badiny nampirafy azy no matim-bono. Raha araka ny nambaran’ireo nanatri-maso ny zava-nitranga, dia hitan-drangahy tompom-bady nifampisakambina nisera fitia tamina lehilahy iray teny ambony posy nandehanany ramatoa vadiny. Ity farany moa izay voalaza fa handeha hiantsena ao Bazaribe tamin’io fotoana io. Tezitra mafy ity raim-pianakaviana ity ka nenjehiny ilay posy, ary rehefa tratrany dia nodarodarohany tsy nananany antra avy hatrany teo imasom-bahoaka ity andefomandriny, ka nivoa-drà an-korona sy nividana tarehy. Raha vao nahita ny zava-miseho ilay lehilahy voatondro fa sakaizan-dramatoa niaraka posy taminy, tonga dia nitsoaka avy hatrany, raha ny voalazan’ireo olona nanatri-maso hatrany.

Eric Manitrisa

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Attention les gens du sud sont spéciales, ny fomba fanaony,ny politika,ny dahalo,destruction de la nature,kéré,des riches tsy fatampiavina ny fanana,et ny mafy ady ary beaucoup de raketa ,zone rouge danger.

  2. Dia tsy ‘ à NIARO akory ilay Rafa fa Tonga dia nitsoaka. Tena lehilahy kely sns mihitsy.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.