Tsaratanàna : Fiarabe notafihan’ andian-jiolahy, olona roa naratra mafy voatifitra



Jacaranda

Asa na hoe efa manakaiky indray ny fialan-tsasatra, dia mirongatra ny fanakan-dàlana amin’ireo lalam-pirenena. Ny alarobia lasa teo mantsy, dia fiarabe iray indray no lasibatry ny andian-jiolahy mirongo basy mahery vaika, tany amin’iny faritra Tsaratanàna iny. Vokany, mpandeha roa tao anatin’ity fiara ity no naratra mafy voatifitr’ireo olon-dratsy, ary entana mitetim-bidy an-tapitrisany any ho any no lasan’izy ireo tamin’izany. Tao amin’ny tanàna iray antsoina hoe Firehitra, eo amin’ny 40 km miala ny tampon-tanànan’i Tsaratanàna no nisian’ity trangana fanakanan-dalana ity, amin’ny 12 ora antoandro. Somary mangingina ny làlana ary tsy dia misy tànana firy amin’io toerana io, ka teo ireo olon-dratsy no nanararaotra nanao ny asa ratsiny. Am-polony mahery any izy ireo, izay samy mirongo basy sy zava-maranitra avokoa no nivoaka avy tany amin’ny niafenany, toa efa miandry kendry tohina ireo fiara izay mandalo. Sady manapoaka basy manao tifi-danitra no mitoraka ary mitsoka kiririoka ireto olon-dratsy ireto nentina nampijanonana ilay fiara sy hampitahorana ireo mpandeha. Tsy nanaiky mora izany anefa ny mpamily, fa mbola niezaka niala sy nitondra ny fiara nandositra. Tamin’izay no variraka amin’izay ny tifitra niantefa teny amin’ilay fiara, ka nahavoa ny mpamily sy ny olona iray tao anatiny. Tsy nisy afa-tsy vola kelikely ihany, izay voalaza fa hividianana solika no azon’ireo mpanafika, hany ka tany amin’ireo olona nentin’ilay fiara indray izy ireo no nanampatra ny asa ratsiny. Lasa avokoa izay entana sarobidy rehetra tao anaty fiara sy teny amin’ireto olona lasibatra ireto. Nitsoaka avy hatrany moa izy ireo raha vao nahavita izany. Taorian’izay kosa vao afaka niantso mpitandro filaminana sy namonjy ireo naratra ireo voatafika. Efa nandray ny andraikiny avy hatrany moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana, nanatanteraka ny fikarohana ireto olon-dratsy mpanakan-dàlana ireto.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.