Morondava : Mpianaka nalain’ny dahalo an-keriny

Tsy an-tanàn-dehibe, tsy ambanivohitra fa nahazo laka tato ho ato ny fakana olona an-keriny. Afak’omaly alina, tao Malaimbady Distrikan’i Morondava, dia olona telo mianaka (mpivady sy ny zanany lahy 6 taona) no nalain’ny dahalo an-keriny tao an-tranony. Rehefa dify lavidavitra ny tanàna ireo dahalo nirongo basy ny sasany, dia nasain’ireo mpaka an-keriny niverina ilay raim-pianakaviana nalain’izy ireo an-keriny, mba hitady haingana ny vola 7 tapitrisa Ariary notakian’ireo dahalo ho tambin’ny famotsorana velona ny vady aman-janany. Nanafatrafatra sy nandrahona mafy ireo mpaka an-keriny, fa tsy mila mpitandro filaminana sy Fokonolona manara-dia azy ireo, fa raha tsy izany tonga dia tifirin’izy ireo ho faty izy mianaka. Hatramin’ny omaly antoandro anefa, tsy mbola fenon’ny fianakaviana ny vola tadiavin’ireo mpaka an-keriny, ka nandrahona indray ireo olon-dratsy rehefa niantso an’ity raim-pianakaviana ity tamin’ny findainy. Taorian’izay, dia tsy tratra antso intsony ireo dahalo, raha araka ny tati-baovao voaray farany tamin’ny ora nanoratana ny lahatsoratra.

Eric Manitrisa

Suivez-nous aussi sur Facebook

Partager cette publication

Un Commentaire - Ecrire un commentaire

  1. Tsy miy lalàna ve mba lanin’ny solombava-bahoaka amin’ny tranga ohatran’izao sa miandry omena vola be vao ho taitra, Ao aminareo ny baolina fa olona nifidy anareo noiharan’ny tsy rariny ohatr’izao.!

Poster un commentaire

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.