Mahitsy : Olona 1500 mahery voaroaka hiala amin’ny tanindrazany



Jacaranda

Tsy omenay ny taninay. Ny Fihavanana tsy atakalo vola. Avereno ny fihavanana taloha. Nisongadina ireo fehezanteny ireo omaly nandritra ny fihetsiketsehana nataon’ireo mponina 1500 mahery  ao amin’ny fokontany Ambohitraivo, kaominina Antanetibe Mahazaza (Mahitsy) mba hanoherana ny fanesorana azy ireo eo amin’ny taniny. Ireto farany izay milaza fa efa hatramin’ny razamben’izy ireo no efa nonina sy nanamaintimolaly izany toerana izany nefa dia voalaza fa tsy maintsy ialany satria misy tompony ny tany.

Araka ny fanazavan’ny solontenan’ireto fokonolona ireto dia nitranga izao olana izao noho izy ireo tsy nanana porofo na taratasy ara-panjakana manamarina ny maha azy ireo ny tany izay oneny sy ampiasainy. Mirefy 56ha ny velaran’izany tany izany izay mitsinjara toy izao : 46ha tanety izay ahitana trano miisa 300 tafo eo ho eo, sy tanimbary ny 10ha. Ilay milaza ho tompony ary efa nahazo rariny teo anatrehan’ny Fitsarana kosa dia ny kaongregasiona Jezoita etsy amin’ny kolejy Masina Misely Ampahibe. Araka ny fanazavana hatrany dia ampahany tamin’ny tanin’ity fikambanan-dreliziozy ity io tany io, saingy toa hoe efa nisy fifanarahana tamin’ireo mponina ireo ny hivarotana izany tamin’izy ireo. Nisy ny vavolombelona tamin’izany, dia ny Pretra lehiben’ny Monasitera ao Mahitsy. Olana anefa fa tsy vita hatramin’ny farany ny fizarazara io tany io sy ny famindrana ny « titre » tamin’ireo mponina izay mihizingizina fa an’ny razam-ben’izy ireo ny tany saingy natolotra an-dry Mopera fotsiny tany am-boalohany raha tonga nangataka ny hanorim-ponena teny Mahitsy io fikambanana io.

Tsy vita ny fifamindrana ny tany satria niaiky ireto olona ireto fa tsy nahay izay tokony natao tamin’izany ka nanankina ny raharaha tamin’ireo Pretra ao amin’ny Monasitera. Nanaiky izany tokoa ireto Pretra ireto ary ny lehiben’izy ireo tamin’izany fotoana izany no nanao io, saingy toa nitarazoka ny raharaha. Efa nitondra ny raharaha teny amin’ny Fitsarana ireo Jezoita vao taitra ireto mponina ireto. Tsy vitan’izay fa efa tonga teny an-toerana mihitsy ny avy ao amin’ny Fitsarana sy ny mpitandro ny filaminana mba handroaka azy ireo hiala amin’ny tany. Tamin’izany anefa dia niezaka nanelanelana ihany ny teo anivon’ny kaominina mba hitsinjovana ireo olona an’arivony ireo. Tsy nahafa-po ireto farany anefa ny fepetra napetraky ny tompon’ny tany  izay nametraka fa tsy maintsy mividy ny tany (10 ariary ny m2 ho an’ny tanety, 5 000 ariary ny tanimbary) raha te-hijanona eo. Soso-kevitra izay heverin’ireo voaroaka fa tsy rariny satria sady tsy hanana volabe amin’izany izy ireo no tsy mety hono, satria tany efa voavidiny ve no mbola hovidiany indray. Na izany aza anefa, nilaza izy ireo fa tsy afaka ny hiady eo anatrehan’ny Fitsarana intsony satria efa resy. Noho izany, miangavy izy ireo ny mba hijeren’ireo tompon’andraikitra isan’ambaratonga eo anivon’ny Fiangonana katolika, toy ny Filan-kevitra episkopaly Malagasy, ny Justice et Paix, ary ireo tompon’andraiki-panjakana mahefa ihany koa mba hanao izay hisian’ny marimaritra iraisana amin’izao raharaha izao. Nanamafy izany ny Ben’ny tanànan’Antanetibe Mahazaza izay nanipika fa hiteraka olana ara-tsosialy lehibe ho an’ny kaominina indray izao raharaha izao. Fiangaviana ny anay, hoy ireo mpitaraina,  satria ny fahitan’izy ireo ny zava-mihatra aminy dia vokatry ny Lalàna izay mitady hanitsaka ny rariny hatrany.

T.M.

Share This Post

4 Comments - Write a Comment

  1. Tsy mety kosa ry Malala ny avy dia mitsara an’ireo mômpera Zezoita ireo araka io nataonao io : « milaza azy ho mpitory ny teni’n’Andriamanitra mandroaka ny ondriny », hoy ianao. Mila jerena ny lalàna, ny zava-nisy marina (nisy fifampivarotana ve sa tsia tany aloha) voarakitra an-tsoratra na porofo hafa, toy ny nentin-dry mômpera ao @ mônastera. Fa tokony ho an’izay tena tompony ny tany, na ny Zezoita na ny fokonolona.

  2. misy foana ny rariny sy ny hitsiny na dia fisaka aza izany e, tsy misy tsy vitan’ny reska sy ny dinika, ka raha eo anatrahan’ny tena marina dia tsy misy afa-manoatra-
    raha 10 ariary zany kosa ny m2 efa fanomezana e na 5000 ny tanimbary azo iainana tsara azo aloha tsikelikely ary ny voka efa azona o teo taona maro mihoatra be dia be, dinihotsika ihany fa mora ny manome tsiny. fa sarotra ny manantanteraka. Tsy hta ny hoe Rariny raha tsy mahay mijery azy?????

  3. Dia tsy menatra ve reto milaza azy ho mpitory ny teni’n’Andriamanitra mandroaka ny ondriny?

  4. Dia tsy menatra ve reto milaza ny mpitory tenin’Andriamanitra mandroaka ny ondriny?

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.