Tapatapany

Jacaranda

#-Ambohitrimanjaka. Zazalahy maty nihantona teo ambody saina. Zazalahy iray tokony ho 12 taona monja no hita nihantona teo amina tongon-tsaina iray tao Andranomahitsy ao amin’iny kaominina Ambohitrimanjaka iny ny sabotsy teo. Araka ny vaovao azo dia nihanika ity tongon-tsaina ity izy ary namatotra ny tendany tamin’ny tadin’izany saina izany. Rehefa avy eo dia nitsambikina ary nitsipatsipaka teo. Nisy nahita izany fihetsiny rehetra izany ka niezaka nanavotra ny olona. Nentina avy hatrany tany amin’ny hôpitaly saingy tsy tana intsony ny ainy. Sangy ratsy niarahany tamin’ny namany ve sa tena hoe famonoan-tena an-kitsirano ? Manao ny fanadihaidana hatreto ireo tompon’andraikitry ny filaminana eny an-toerana.

Nangonin’i m.L

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Mety victime Harcèlement scolaire ???

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.