Antohomadinika : Mpianatra maty notsatohan’ny mpanendaka antsy



Jacaranda

Tokony ho tamin’ny dimy ora sy sasany maraina no namoy ny ainy teny Antohomadinika ny tovolahy iray. Mpianatra io farany raha araka ny fanazavan’ny olona teo an-toerana ary nirahin’ny fianakaviany mba hanatitra entana vao maraina omaly io niharan’ny asan-jiolahy io. Tsy hita ny entana teny aminy, isan’izany ny kitapony sy ny kojakoja sasany izay ilaina amin’ny fanatontosana fety. Raha ny heno teny an-toerana ihany mantsy dia misy zaza izay hoforàna teo anivon’ny fianakaviany ary nisy fifandrimbonana amin’ny fanatontosana an’izany. Misy araka izany ny iraka nampanaovina ity tovolahy ity kinanjo nifanehatra tamin’ny jiolahy vao maraina izy. Teo amin’ny kibony sy ny tendany no nisy ny dian’antsy. Izany hoe tsatoka antsy indroa no nahazo ny tenany ary tany amin’ny faritra izay mahafaty avokoa. Nitohy ihany resadresaka teo Antohomadinika izay nitrangan’ny loza ary teo no nahenoana fa mpianatra eny amin’ny anjerimanontolo ny tovolahy namoy ny ainy. Betsaka izay olona nidiran-doza teo amin’io faritr’Antohomadinika io izay. Tsy ireo mpandeha an-tongotra ihany fa indrindra koa ireo ao anatin’ny fiara fitaterana. Na izany vao maraim-be na amin’ny harivariva izay fodian’ny olona, no tsikaritra ho tena fisehoan’ny asan-jiolahy. Tsy misalasala ny mampiasa ny antsibe izay matetika dia sabatra, eny an-tanany, ireo olon-dratsy. Raha sakaosy kely iray ary fantatra avy amin’ny hita maso fa tovolahy izay tsy voatery hanam-bola be no tompony, dia tokony hamonoana ho faty toa izao ? Hatreto dia miandry ny vahaolana avy amin’ny pôlisy ny tsirairay eto an-drenivohitra satria tsy eken’ny saina ny heloka bevava izay mihatra amin’ny tsy manan-tsiny. Isan’ny vina ny hametrahana pôlisy manakaiky ny vahoaka ary indrindra amin’ireo faritra mena. Eo ihany koa ny fiaraha-miasa amin’ny ifotony, toa ny fokontany mba hanome vaovao momba ny olona hafahafa eo anivony. Io faharoa io dia matetika nandamoaka satria mba matahotra ny ainy koa ny olona amin’ny fanoroana ny jiolahy, indrindra any amin’ny kartie betsaka an’izany. Izany hoe ny tena andrandraina dia ny hita maso, dia ny fipetrahan’ireo mpitandro ny filaminana andro sy alina amin’ny faritra mena sy efa voaporofo fa iverimberan’ny jiolahy.

D.R

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.