Bypass : Mpanao taxi-phone notafihin’ny jiolahy



Jacaranda

Nirefodrefotra indray ny feom-basy teny amin’iny lalan’i Bypass iny ny alatsinainy hariva lasa teo. Mpanao taxi-phone iray, handeha hody no notafihana olon-dratsy nirongo fitaovam-piadiana teo amin’ny sampanana Ambohijanaka, raha iny handeha hiandry ny fiara hitondra azy iny. Tampoka ho an’ity olona ity tokoa ny zava-nisy ary tsy nampoizina tanteraka satria toa ireny olona mihakazaka handeha hamonjy fiara fitateram-bahoaka ireny izy ireo. Kanjo avy hatrany dia nitifitra ary nisintona ilay kitapo nisy vola teny aminy. Ny feom-basy nanakoako no nanaitra sy nampikorapaka ny rehetra teny an-toerana. Raha ny fantatra dia tsy voan’ny bala akory ity olona voatafika saingy kosa naratra noho ny dona mafy nahazo azy nataon’ireo olon-dratsy. Ireto farany kosa, raha vao nahazo izay nilainy dia nitsoaka toy ny tsy teo. Nanararaotra tanteraka ny fikorontan’ny olona raiki-tahotra sy namonjy ireo elakelan-trano fitsoahana, toy ny seho mahazatra amin’ny tranga toa izao. Araka ny fanazavàna azo dia nahatratra teo amin’ny iray tapitrisa mahery tany ho any no lasan’ireo olon-dratsy, niaraka tamin’ny finday. Taorian’io, rehefa tonga saina tamin’ny nahazo azy ilay voatafika vao afaka niantso vonjy. Ity farany moa izay nentina avy hatrany tany amin’ny toeram-pitsaboana. Nampandrenesina kosa tetsy an-danin’izay, ireo tompon’andraikitry ny filaminana teny an-toerana izay avy hatrany dia nandray an-tanana ny raharaha ary niroso tamin’ny fikarohana ireto olon-dratsy.

m.L


Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.