Maevatanàna : Mpimasin’ny dahalo niaraka tamin’ny ody gasy iray gony, saron’ny zandary



Jacaranda

Ireo no lohandohan’ireo jiolahy mpangalatra omby ato amin’ny disitrikan’i Maevatanàna  saron’ny Zandary ao amin’ny borigadin’i Maevatanàna, ny talata 3 Jolay lasa teo. Lehilahy iray nitondra fanafody iray gony no tratran’ny zandary avy ao amin’ny kaominina Tsararano. Rehefa nosavaina io lehilahy nitondra fanafody iray gony io, dia nahitana karazana fanafody maro, toy ny :  moara, sigidy, lamba mena fehy loha, kiririoka  folo, odim-bala, tapa-kazo ; izay milanja dimy kilao eo ho eo. Nandritra ny fanadihadiana natao taminy, dia fantatra fa an’ilay mpimasy mipetraka ao amin’ny kaominina Berivotra 5X5 ilay fanafody, ka nanaovana vela-pandrika tany an-toerana, ka nosamborina avy hatrany izay ahiana ho mpiray tsikombakomba amin’ny dahalo amin’ny fanomezana fanafody azy ireo. Zandary nanao fisafoana tamin’ny faritra Tsararano sy ny manodidina iny no nahatratra izao vokatra izao rehefa nahazo loharanom-baovao avy tamin’ny olona tsara sitra-po. Rehefa nojeren’ny Zandary akaiky, dia hita sy tsapa fa tena hoentina homena dahalo ilay fanafody iray gony mba hanamora ny asa ratsy ataon’izy ireo mandritra ny fanafihana. Notazonina avy hatrany ilay mpimasy sy ny namany, ka resaka famatsiana fanafody hoan’ireo malaso no heloka hiampangana azy ireo. Ny Zandary avy ao amin’ny borigadin’i Maevatanàna no misahana ny fanadihadiana, ary efa natolotra ny fampanoavana moa izy roa lahy, ny Zoma lasa teo, ka notazomina am-ponja vonjimaika izay miandry ny fotoam-pitsarana azy amin’ny 30 Jolay ho avy izao. Manao ezaka goavana eo amin’ny  fampandriana fahalemana ny tany, ny Zandary aty an-toerana, ary miandry fifanomezan-tànana avy amin’ny vahoaka rehetra.

Ratantely


Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. tena hita izao fa tena manao ny asany tanteraka ny mpitandro ny filaminana mba hampanjakana ny filaminana izay tena himasohan’ny folohantsika sy ny gouvernemata hapetraka eto amin’ny tany sy ny fananjakana

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.