Ankatso : Roa lahy tratra nangalatra, saika nodoran’ny fokonolona velona



Jacaranda

Ankoatra ilay tany Morarano Gara dia saika niampy roa indray ireo olon-dratsy voadoro velona tetsy Ankatso, omaly. Saingy soa ihany fa tonga aloha ireo mpitandro filaminana nanesotra ireo mpanao ratsy teo ambany vahoan’ireo mponina. Omaly tokony ho tamin’ny enina ora maraina tany ho any no niseho ny tranga, raha ny angom-baovao azo. Tratran’ireo mponina, teo am-panaovana ny asa ratsiny mihitsy mantsy ireto roa lahy ireto. Avy nangalatra saingy tsy tafatsoaka ary dia noraisim-potsiny. Tsy vitan’ny fisamborana fotsiny teto no nataon’ireo nahatratra azy fa efa niainga avokoa ity daroka sy vono rehetra ity. Efa naratra be sy nalemilemy izy roalahy no nisy nitaky ny fandorana azy ireo velona. Niara-nanaiky izany avokoa ny rehetra teo an-toerana. Notaritaritiny ho eny amin’ny kianja fanaovana baskety azy izy roalahy ireto, ary efa teo am-piomanana ny handoro azy iny ireo fokonolona no tonga ny mpitandro filaminana. Ireto farany moa no nanakana ity fitsaram-bahoaka nokasain’ireo olona hatao ity ary nitondra malaky ireto olon-dratsy tany amin’ny biraon’izy ireo hatao fanadihadiana.

Efa tofoka sy leo tanteraka amin’ity resaka tsy fandriaham-pahalemana ity tokoa ny olona raha ny tranga tato ho ato no jerena. Ekena, hoy izy ireo, fa manao ny asany amin’ny fisamborana ireo mpitandro filaminana. Saingy ny mampalahelo dia afaka taona vitsivitsy, na volana, eny fa ny sasany dia aman’androny dia iny fa mivoaka ary manohy hatrany ny asa ratsiny. Ny tena loza aza dia na hatramin’ireo mpanendaka sy mpangaraom-paosy aza no mahavita manatsatoka antsy sy mamono. Tsy lazaina intsony ny ataon’ireo andian-jiolahy manafika miaraka amin’ny basy mahery vaika sy ny andian-dahalo any ambanivohitra any.

m.L

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Mangataka aminareo mpanao gazety mba hamoaka izao fangatahana izao. Olo tsotra aho manao antso ho an’ny mpitandron’ny filaminana mba hijery akaiky ny fahandrimpahaleman’ny vahoaka , n’y fananan’ny vahoaka no ahitandoza tafin n’y mpangalatra n’y fananana lasany n’y aina indraindray manaraka .Manao antso ho an’ny vahoaka rehefa mahatratra mpangalatra hanolotra amin’ny mpitandron’ny filaminana hanao n’y fitsarana mendrika .aoka izay n’y fitsarambahoaka … sauf en camp de légitimité défendre . Tsinjovy n’y ho avin’ny ankizy s’y n’y Tanoran tsika .mahita antsika vahoaka Olondehibe Ray amandreny mamono olona (mamono mpangalatra) amin’ny fomba feno habibiana eo imason’ny zanantsika tanora vao misandratra . Tsy manana toentsaina hiatrika von’olona mivanta n’y zanantsika . Ils vont avoir de tromatisme physiologie . Indrindra tsy tsara n’y mamono s’y manafaka ain’olona . Misaotra tompoko.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.