RN1 : Maty voatifitra ny roa tamin’ny mpanakan-dàlana



Jacaranda

Natao savahao ireo jiolahy izay tompon’andraikitra tamin’ny fanakanan-dàlana. Raha ny fanazavana azo dia nisy olona izay nahafantatra ny sasany tamin’ireo mpanafika. Rehefa azon’ny zandary ny vaovao mahakasika izany dia natao ny fitadiavana azy ireo teo amin’ny tanàna voatondro. Nisy hatramin’ny fitsirihana ny tranon’ireo noahiahiana. Hita tao ny basy, ny pilotra, ny masolavitra, ny famaky, ny antsilava, ny mohara sy ny fitaovana hafa fanatontosana fanafihana. Nisy ny nitsoaka avy hatrany raha vao nahita ny zandary ary na dia teo aza ny tifi-danitra natao mba hampijanona ireo olona dia tsy izany loatra no nitranga. Voatery notifirina ary maty ny roa. Teo Antaniditra no nitranga ny fanafihana taxi-brousse ny alakamisy teo, tamin’ny fito ora maraina. Ny andron’iny ihany dia efa raikitra ny fanarahan-dia sy ny savahao izay niafara tamin’ny fahitàna ny fieren’ireo jiolahy. Mpandeha tao anatin’ny taxi-brousse ihany no afaka niantso ny zandary ary nanomboka teo ny fikarohana rehetra izay natao. Ny roa izany no voasambotra raha maty ny roa. Miteraka ahiahy hatrany ny fandehanana amin’ny lalam-pirenena noho ny afitsoky ny mpanakan-dàlana. Tsy ary ho ampy ny zandary izay hiambina izany ary mila ny fanomezan-tànana avy amin’ny olon-tsotra mba hahafahana mamantatra ireo olon-dratsy.

D.R  

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. bravo! la gendarmerie,mission accomplie vous etes sur la bonne voie pour éliminer ny mpanao ratsy sans pitié. Asandrato lay hira gasy manao hoe kapao kapao fa manimba ny tany.

  2. isaorana ny zandary t@ izao asa vitany izao. raha tsy fahampiany zandary indray no resahina, dia tokony ireo manao PR tsy mamokatra fa mitango vola fotsiny @ fiara ireo no tokony hampanaovina izany asa izany. tena tsy ilaina ny 75/100 @ izy ireny, fa d mahagaga fa d tsy hitany topon’andraikitra @ zandary io zavatra io

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.