Mpahay informatika : Namboatra fitaovana homena ny CENI



Jacaranda

Hackathon informatika, izay ny anaran’ny hetsika izay nokarakarain’ny fikambanana HOPE omaly, tetsy amin’ny American Center Tanjombato. Fifaninana izay natao  ho an’ireo tanora manao fikarohana ara-tsiansa momba ny informatika izany ary niarahana tamin’ny vaomiera mahaleo tena momba ny fifidianana (CENI), ny ambasady amerikana, ny vondrona eoropeana ary ny vondron’ny firenena mikambana. Ny lohahevitra dia mahakasika ny fanamboarana fitaovana hanatsarana ny fikarakarana fifidianana ; izay ho avy manaraka mba hanomezana mangaraharaha kokoa ary indrindra hanentanana ny tanora mba hifidy. Tanora avokoa no nandray anjara ary nahazo ny laharana voalohany, ny avy eo anivon’ny oniversiten’i Fianarantsoa (ENI). Efa nahavita ny fianarany ary efa miasa ireo mpahay informatika nandrombaka ny amboara. Mbola tanora avy amin’io oniversite io ihany koa ny faharoa, ary tanora manomana ny diplaoma “doctorat”. Ny fahatelo kosa indray, dia ireo avy eo anivon’ny IT University, mpianatra ao amin’ny taona faharoa ary mbola misy 16 taona ny zandriny indrindra. Nahavelom-bolo ny maro ny fahaizan’ireto tanora ireto ary isan’ny tapaka fa mbola hisy andiany manaraka indray ity fifaninana masina ity.

D.R

Share This Post

One Comment - Write a Comment

  1. Tandremo tsy hanao trucage ny resultas eo e, ny chiffres tena izy avoaka .
    Avoahy isaky ny Fokontany sy Kominina, Faritany, ho renay vahoaka e.
    Ataovy mitovy amin’ilay nisainay tao amin’ny Fokontaninay dia ekena zay lany amin’izay.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.