Antanifotsy : Novonoin’ny vady aman-janany



Jacaranda

Nitsoaka ny toby fivavahana iray izy dia nody tao an-tranony. Teo dia novonoiny tamin’ny antsy ny zanany roa ary novonoiny koa ny vadiny. Nijanona tao an-tranony izy nony avy eo. Izany no nitranga ny alin’ny talata teo tao Antanifotsy. Misy aretina mitaiza ilay rangahy raha araka ny fanamarihana azo. Heverin’ny maro ihany koa anefa fa misy fanahy mitoetra ao aminy ary rehefa mihetsika izany dia io tonga amin’ny fanatontosana heloka bevava io. Tsy nitsoaka tao amin’ilay tokantrano izy ary na ny fisamborana azy aza dia nanahirana satria mbola nihetsika hatrany ny aretiny. Nihidy ny trano ary tsy maintsy nitady lalana hafa ny zandary niditra  tao an-trano mba hahafahana misambotra azy. Omaly dia mbola nitohy ny fanadihadiana azy izay notontosain’ny mpitandro ny filaminana.

D.R

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. tokony ho helohina ve zany olona zany fa ataoko fa tsy eritreriny le izy.hoy ny ohabolantsika gasy hoe »ady @’ny adala ka ny manampanahy no mandefitra ».nefa asa aloha e

  2. Miangavy indrindra ny mpanoratra lahatsoratra amin’ny gazety midi madagasikara mba tsy hanao fahadisoana amin’ny fomba fanoratana indrindra ny teny malagasy. Raha io lahatsoratra io no vakiana dia toy izao no tokony hanoratana ny lohateny :  » novonoiny ny vady aman-janany » fa tsy hoe : novonoin’ny vady aman-janany.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.