Analakely : Vehivavy lehibe, maty nodomin’ny taxibe



Jacaranda

Nandriaka indray ny rà tetsy am-povoan’Analakely omaly maraina. Taxi-be iray, izay mampitohy an’Analakely sy Itaosy iny no nandona olona, teo amin’ny sampanan-dalana mizotra mankany Andohan’Analakely iny. Vokany, ramatoa efa nahazo taona iray no namoy ny ainy.

Na dia am-povoan-tanana tokoa aza dia mbola sahy mandeha mafy ihany ny sasany amin’ireo taxibe, hany ka tsy mahagaga intsony raha mamoa-doza tahaka ity. Nalalaka ihany koa moa ny fifamoivoizana tamin’io fotoana io, izay vao tamin’ny dimy ora maraina, kanefa efa somary be olona ihany mandeha eny an-dalana. Tamin’izay indrindra no handeha hiampita ity ramatoa be ity, izay tsy nahita akory ilay taxi-be avy nisosososo mafy avy any. Tetsy andanin’izay ihany koa anefa tsy nahita an’ity olona niampita ny mpamilin’ilay fiara mpitatitra. Voalaza mantsy teo fa handeha hisongona sarety teo alohany izy tamin’io fotoana io. Voasongona ilay sarety saingy ilay olona niampita no voafaoka mafy dia mafy, ary tsy tafajanona ilay fiara raha tsy lavidavitra mihitsy. Avy hatrany kosa dia nitsirara sy nihosin-drà ilay vehivavy voadona noho ny dona mafy nahazo azy. Niezaka namonjy  azy avy hatrany ny mpamilin’ilay fiara sy ireo olona nanatri-maso teo ary nitondra azy haingana tany amin’ny hôpitaly. Saingy fotoana vitsy taorian’ny nahatongavany teny dia tsy tana ny ainy, noho ny ratra sy ny dona nahazo azy. Efa tonga nijery ifotony ny zava-nisy teny an-toerana moa ireo tompon’andraikitry ny filaminana misahana iny faritra iny, ary nandray an-tanana ny raharaha. Tetsy andanin’izay kosa, satria nisy aina nafoy dia voatery nentina tany amin’ny biraon’ireo mpitandro filaminana ilay mpamily, natao andrimaso sy hanaovana famotorana.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.