Famonoana pôlisy tetsy Ankadindramamy : Voasambotra ny roa tamin’ireo jiolahy



Jacaranda

Herinandro vitsy taorian’ilay fanafihana nitranga tetsy Ankadrindramamy, ka nahafatesana olona iray sy mpitandro filaminana iray dia fantatra izao fa voasambotra ny roa tamin’ireo olon-dratsy isan’ny tompon’antoka tamin’iny raharaha ity.

Ny faran’ny herinandro teo no sarona ny iray tamin’izy ireo, araka ny loharanom-baovao avy eo anivon’ny pôlisim-pirenena. Ny sabotsy teo mantsy no nahazo loharanom-baovao ireto mpitandro filaminana ireto fa hitan’ny olona mihaodihaody eny amin’iny faritra Ankadindramamy iny ny iray tamin’ireo olon-dratsy nanafika. Tsy niandry ela fa avy hatrany dia nidina teny an-toerana ireo pôlisy avy amin’ny Hery Vonjy taitran’ny pôlisy etsy Antanimora, hisambotra an’ity olon-dratsy ity. Nandeha mora ny fisamborana satria tsy nisy rà nandriaka na aina nafoy na dia efa niomana tokoa ny amin’izany aza ireo mpitandro filaminana. Rehefa nampifanatrehana tamin’ireo olona voatafika tamin’io fotoana io ity olon-dratsy ity dia nohamarinin’ireto farany fa hoe isan’ireo nanafika azy ireo tokoa ity voasambotra ity. Nandeha teo amin’izay ny fanadihadiana sy famotorana ka ny niafarany dia nanondro olona iray izy, izay voalazany fa isan’ireo namany tamin’io fotoana io. Teny amin’iny faritra Andravoahangy iny indray no voasambotra ity farany, izay azo mora ihany koa. Mbola tratra teny amin’ity namany ity ny antsy be iray. Tamin’ny fisavàna ny tranony indray no nahitàna basy lava, “calibre 12”, niaraka tamina ody gasy maromaro, izay fentin’izy ireo manafika. Mbola mitohy kosa ny fanadihadiana sy ny fikarohana ireo namany hafa. Ireo pôlisy avy ao amin’ny sampana ady heloka bevava indray moa no manohy izany sy mandray ny famotorana rehetra.

m.L

Share This Post

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.