Fifaninana ho zandary : Mpiadina roa nosamborina fa nampiasa hosoka



Jacaranda

Ny alahady teo no niditra teo anivon’ny toby hanatanterahana ny fiadinana hiditra ho zandary ao Ankorombe-Ambositra ireo tanora an’arivony, maherin’ny 1500 raha ny marimarina kokoa. Mandritra ny tapa-bolana no hanatontosana ny fanadinana izay misy fitsapàna vatana, fiadinana am-bava sy an-tsoratra raha araka ny fanazavana azo. Tao anatin’ny fanamarinana ny taratasin’ireo tanora vao tonga no nahitàna fa nisy ny nampiasa hosoka. Mahakasika ny taratasy fiantsoana na “convocation” izay milaza ny hahafahan’ireo hiatrika ny dingana manaraka no nisy nanao hosoka. Niisa roa ireo mpiadina izay voatery notazomina avy hatrany ary nanokafana fanadihadiana teo anivon’ny zandary ihany. Raha ny fanampim-panazavana voaray dia sady tsy tao anatin’ny lisitra ireo olona ireo no koa voamarina avy hatrany fa namboamboarina ny taratasy fiantsoana. Raha tsiahivina dia isan’ny tena nanjakan’ny kolikoly ity fidirana ho zandary ity, nisy fotoana, ary ankehitriny dia ny kaomandin’ny zandarimariam-pirenena mihitsy na ny “Faneva” mihitsy no nanapa-kevitry ny nidina any an-toerana mba hanara-maso ny fizotry ny fanadinana. Manodidina ny 400 ireo tsy maintsy hihintsana aorian’ny fanadinana sy ny fifaninana izay hatao satria miisa 1200 ny horaisina ho vata-miaramila ary ho lasa zandary mpiana-draharaha atsy ho atsy. Amin’ny lafiny iray dia azo adika ho mafy loatra ho an’ny tanora malagasy ny miady amin’ny tsy fisian’ny asa. Lasa manaotao foana ny sasany ary dia vonona ny miady aman’aina mba hiadivana amin’ny fahantràna. Toa ity nitranga ity izao dia ahiana mafy ny hidobohany am-ponja satria heloka ny fanaovana hosoka, indrindra koa nampiasaina amin’ny fidirana ho mpitandro ny filaminana izany. Lasa pejy maizina tampoka araka izany ho an’ireo tanora ireo ilay fiikasàna mba hanana asa sy filaminana noho ny tsy fandanjalanjana kely foana.

D.R

Share This Post

2 Comments - Write a Comment

  1. Nodimandry tokoa ny jeneraly Bory Jean-Paul…

  2. Heee, anjakan’ny kolikoly ve? lavitra ny fifaninanana t@ taona lasa. Avereno Ramiandrisoa.

Post Comment

Ce site utilise Akismet pour réduire les indésirables. En savoir plus sur comment les données de vos commentaires sont utilisées.